Alatsinainy 4 Janoary 2021

Maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8

Tsy ato Izy (Jesosy) fa efa nitsangana, araka izay nolazainy. Matio 28:6

Ary Jesosy Tompo… nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Marka 16:19

 

Mamela an’i Jesosy any amin’izay misy Azy any hoe ?

Nandray ireo mpianany madinika ilay vehivavy mpampianatra, tamin’ny fidirana tamin’ny volana janoary :

— Manao ahoana ianareo, rankizy ! Mba lazao ahy kely hoe, nahafinaritra ve ny fotoam-pialan-tsasatra ? Inona no azonareo tamin’ny Krismasy ? Raha izaho, dia mirary taona vaovao tena mahafinaritra ho anareo rehetra ! Amin’ny faran’ny herinandro isika hankalaza ny fetin’ny magy ka hihinana mofomamy… Androany aho dia nitondra ity boky tsara tarehy ity, misy sary mihetsiketsika mitantara ireo planeta.

— Boky misy sary mihetsiketsika hoe ? Maîtresse ô, izaho any an-trano manana boky misy sary mihetsiketsika momba an’i Jesosy !

— Izaho koa, Maîtresse, hoy ny ankizy iray hafa, manana boky momba an’i Jesosy !

— Tsara izany, fa avelao Jesosy ho any amin’izay misy Azy any e ! azonareo ?

Dia nifarana teo ny resaka… Mamela an’i Jesosy any amin’izay misy Azy any, inona no dikan’izany ho an’ilay mpampianatra ? Fa ho an’ireo mpianany roa kosa, dia toa manatrika eo mihitsy Jesosy, indrindra taorianan’ny fetin’ny Krismasy, fety fahatsiarovana ny nahaterahany. Ary ny magy hankalazain’ny iray kilasy tsy ho ela, dia ho an’i Jesosy no nahatongavan’izy ireo avy tany lavitra be tany. Azo antoka fa nanan-danja lehibe tamin’izy ireo Jesosy !

Ny hoe mamela an’i Jesosy any amin’izay misy Azy any, ho an’ny maro, dia midika hoe mamela Azy ao anaty Baiboly na ireo boky tantara. Izy anefa dia tena velona tokoa ! Tonga tetỳ an-tany Izy, efa ho 2000 taona lasa izay, ary niaina teto nandritra ny telopolo taona mahery. Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, ary maty mba hamonjy antsika. Saingy nitsangana tamin’ny maty Izy, ary velona any an-danitra ankehitriny. Sambatra ny kristiana, mitahiry ao am-pony izany fahazoana antoka izany. Eny, any ambony any Jesosy. Ireo izay mino Azy dia anomanany toerana ho mandrakizay miaraka aminy, any an-danitra (Jaona 14:3).