Talata 5 Janoary 2021

Na dia tahaka ny jaky (mena) aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala. Isaia 1:18

Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, … ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Apokalypsy 1:5, 6

 

Havaozina hoe ?

Any Roma, hono, amin’ny andro mialoha ny taom-baovao, dia maro ny mponina mbola manaraka fomba mahavariana toy izao : manary avy eny am-baravarankely ny entana sasantsasany efa tranainy sy tsy ampiasaina intsony : radiô, lovia, akanjo… Any amin’ny toerana hafa indray, ny taona vaovao dia fotoana anavaozana ny lokon’ny rindrina, mba hanakonana ny faritra rehetra maloto teo aloha.

Tena hahafinaritra tokoa raha afaka manala mora foana toy izany ny lolompo rehetra taloha, ny tahotra taloha, ary miainga amin’ny fomba vaovao eo amin’ny asa, ny fandraharahana, ny fifandraisana ! Lazaina indraindray hoe : ampy ny manadino ny lasa ka mamerina ny zava-drehetra hatramin’ny voalohany indray. Mora foana ny maka fanapahan-kevitra maro eo am-piandohan’ny taona ! Fa vita ve ny nitana ireny nandritra ny taona, na dia nanao ezaka be aza ?

Andriamanitra kosa dia manolotra ho antsika fomba ahafahana tena miova tanteraka. Tsy hoe mamadika pejy mbola tsy maintsy havadika indray amin’ny taona manaraka. Avelao Andriamanitra hiditra an-tsehatra, matokia an’i Jesosy Kristy ! „Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha ; indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy” (2 Korintiana 5:17, 18). Tsy fanavaozana fotsiny ihany tsy akory izany fanovana izany, fa fanomezana toetra vaovao, toetran’Andriamanitra, „fahateraham-baovao” idirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra (Jaona 3:5-7).