Alarobia 6 Janoary 2021

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16

Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Jesosy no porofo fa tia ahy Andriamanitra

„Naniry hahafantatra io Andriamanitra lazain’ny Baiboly io aho. Nony 18 taona aho dia nifanena tamina kristiana iray. Ny fijeriko azy dia hoe miavonavona sy mieboebo izy, rehefa nilaza fa nahazo antoka ny ho any an-danitra. Na izany aza anefa, dia nanaitra ahy ny halalin’ny faharesen-dahatra nananany. Koa nanomboka nitady mafy an’Andriamanitra aho. Nanapa-kevitra hamaky ny Baiboly aho, nanantena fa haneho ny tenany amiko Andriamanitra. Nifanerasera tamina kristiana hafa aho, ka nanjary nihevitra ny tenako ho nitovy tamin’izy ireo, saingy toa mbola matroka hatrany ihany ny fiainako, ary mbola lavitra ahy toy ny teo aloha ihany Andriamanitra. Nivavaka aho, nefa mbola nanana fangidiana : nahoana no misy tsy rariny be dia be toy izao ? Ahoana no ahafahana miresaka Andriamanitra fitiavana, nefa tsy misy famantarana ahitana izany fitiavana izany akory ?

Dia indray andro, nisy vehivavy tanora iray feno fifaliana sy fiadanam-po, niresaka tamiko momba ny fitokiany tamin’i Jesosy sy ny „nahaterahany indray”, ka tampoka teo dia fantatro fa tena tia ahy fatratra Andriamanitra. Niharihary teo anatrehako ny porofon’ny fitiavany : Jesosy, Ilay Zanany, dia nisolo toerana ahy, niaritra ny fanamelohana ny fahotako. Koa dia nahatsapa fiadanam-po tsy hay lazaina aho, zavatra mbola tsy tsapako hatramin’izay.

Efa ho 17 taona izao no mitoetra ato anatiko izany fiadanana izany ; ary mbola tsy niala tamiko na oviana na oviana, na teo aza ireo fahadisoam-panantenana sy zava-tsarotra nolalovako. Niova tanteraka ny fijeriko an’Andriamanitra. Azoko antoka fa tia ahy Izy. Ny porofon’izany ? Jesosy fotsiny ihany, sy ny fanavaozany ny fitiavany ahy isanandro isanandro. Tia Azy koa aho, tia Azy amina fitiavana tsy lavorary, mazava ho azy, ary te hiaina ny fiainako ho Azy.”

Glyn