Alakamisy 7 Janoary 2021

Hazòny ny fiainana mandrakizay. 1 Timoty 6:12

… mba hanao soa, mba hanankarena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra, … mba hihazonany ny tena fiainana. 1 Timoty 6:18, 19

 

Mihazona ny tena fiainana

Mampanontany tena ahy izany teny izany : Inona moa izany tena fiainana tokony hohazoniko izany ? Mety ho lanilany foana ve ny androko, ka holalovako fotsiny ny zavatra tena manan-danja ? Inona tokoa, raha zohina, ny dikan’ny fiainana, ny dikan’ny fiainako ? Miaina arakaraka ny zavamisy azoko hararaotina ve aho, ka mandositra ny fijaliana sy mankafy ireo fifaliana mandalo eo amiko ?

Tsy izany no tena fiainana, fa ilay fiainana tian’Andriamanitra hananako. Ny fiainana atolony ahy dia ilay antsoin’ny Baiboly hoe „ny fiainana mandrakizay” (Jaona 17:3), izany hoe fiainana velomin’ny sitrapony, ao anatin’ny fatokiana Azy, ary tonga hatrany amin’ny mandrakizay, eo amin’ny fanatrehany.

Ny votoatin’io fiainana io dia ny fahafantarana an’Andriamanitra sy ny Tompo Jesosy, miaraka amin’izay rehetra vokatr’izany eo amin’ireo safidiko sy izay ataoko isanandro. Ohatra, ao amin’ny teny nomena antsika etsy ambony, ny fiainana mandrakizay dia hiseho amin’ny fahatsaram-panahy sy fahalalahan-tanana amin’ireo olona manodidina ahy.

Io fiainana mandrakizay io dia hita tamin’ny fomba lavorary tao amin’i Jesosy Kristy (jereo 1 Jaona 1:1, 2). Niaina tao amin’ny fiombonana tamin’ny Rainy Izy, ary nanao ny sitrapony. Ary izany dia tonga hatramin’ny nanolorany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana, mba ho Mpamonjin’izao tontolo izao.

Io fiainana mandrakizay io dia omen’i Jesosy Kristy ireo izay mandray Azy amin’ny finoana, ao anatin’ny vavaka. Efa manana azy io ny mpino kristiana : Ianareo „izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:13).

Ampirisihina anefa isika hihazona „ny fiainana mandrakizay”, hankafy izany amin’ny fahafenoany sy hanao azy io ho tanjona mandrakizay. Ianao ve efa tena nandray an’i Kristy ho Mpamonjinao ? „Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:20).