Zoma 8 Janoary 2021

Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6

 

Ny lalan’ny fahasambarana

Telo taona lasa izay no nahafatesan’i Jean d’Ormesson, zokiolona indrindra tao amin’ny Akademia Frantsay, filôzôfa nanoratra boky maro karazana. Hoy izy tao amin’ny iray amin’ireo bokiny farany : „Ho avy haingana dia haingana ny fotoana hitsanganako eo anatrehan’Andriamanitra… Nitady ny fahasambarana aho… Tsy nitsahatra nitady ny lalana sy ny fahamarinana ary ny fiainana aho, tao anatin’ny lalina nisy ahy.”

Mpamaky maro angamba no afaka miteny toy izany. Olombelona iza moa no tsy miady saina momba ny fahafatesana… sy ny ao aorianan’izany ? Atao inona anefa ny mikaroka hatrany, raha tsy mitodika any amin’Ilay hany manana ny valiny ?

Tsy navelan’Andriamanitra tsy hahita valiny mantsy isika. Jesosy, Ilay Zanany, no nampitondrainy ny hafatra avy aminy. Nandao ny voninahitry ny lanitra Jesosy, mba haka ny toetra maha olombelona antsika sy ho faty teo amin’ny hazofijaliana, ka niaritra ny fampijaliana natokana ho an’ireo jiolahy faran’izay ratsy. Ny sorona nataony dia manokatra lalana mankany amin’Andriamanitra, ho an’izay mandray Azy ho Mpamonjiny ; ary atsangan’Andriamanitra ho zanany io olona io.

Nasehon’i Jesosy ihany koa ny atao hoe fahamarinana, nefa tsy fahamarinana miova arakaraka ny vanimpotoana sy ny toerana, toy ny an’ny olombelona ! Tsy mba miovaova ny fahamarinan’Andriamanitra, ary maharitra, sady mitovy ho an’ny olona rehetra. Io fahamarinana io dia mampiharihary ny fon’olombelona manontolo, ny fifanoherana sy tahotra ao anatiny, ny toe-tsainy ambany, nefa koa mampiharihary ny fon’Andriamanitra : ny fitiavany, ny fangorahany, ny fahasoavany. Azontsika ifikirana am-patokiana tanteraka izany fahamarinana izany. Jesosy ihany koa no loharanon’ny fiainana, loharanon’ny fiainana mandrakizay. Raha mino Azy ianao, dia tsy ho fitsambikinana any amin’ny tsy fantatra intsony ny fahafatesana, fa varavarana mivoha idirana any am-paradisa, any an-danitra. Mitokisa amin’i Jesosy, Ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana.