Asabotsy 9 Janoary 2021

Ary tonga Izy (Jesosy Kristy) ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana. Efesiana 2:17

Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. Lioka 5:32

 

Vaovao mahafaly ho ana tontolo very

Rehefa manokatra gazety, dia mba tiana ny hahita vaovao ratsy vitsivitsy kokoa, ary vaovao tsara bebe kokoa ; zara tokoa mantsy raha misy ny vaovao tsara. Nefa efa taonjato roapolo izao no nanambarana vaovao mahafaly iray. Izany dia ny Filazantsara —teny midika hoe : Vaovao mahafaly !

Ambaran’Andriamanitra fa tonga tetỳ an-tany Jesosy, ary nitory ny Vaovao mahafaly milaza fiadanana. Izany dia famintinana ny drafitra nomaniny ho an’ny olombelona very sy tsy manana fanantenana. Nanomboka tamin’ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nambaran’ny Filazantsara amin’ny rehetra fa nanjary olombelona Ilay Zanak’Andriamanitra, maty teo amin’ny hazofijaliana, nizaka ny fanamelohana ny fahotantsika, ka tamin’izany dia nanokatra ny lalana mankany amin’Andriamanitra, ho an’izay olona rehetra mibebaka. Izany no manambara ny fitiavan’Andriamanitra, fanambarana mahafinaritra voasoratra ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Indrisy anefa fa olona maro no mahafantatra izany vaovao izany, saingy tsy te hisitraka azy. Tsy noraisina Jesosy, Ilay nitondra io hafatra mitory fihavanana io. Naneho ny tenany ho fahazavan’izao tontolo izao Izy (Jaona 8:12), nefa „aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany” (Jaona 3:19). Ary mbola toy izany ihany, mandraka ankehitriny : amin’ny ankapobeny, izao tontolo izao dia mandà ny Filazantsara ary miha manalavitra kokoa hatrany ny fitiavan’i Kristy. Nefa mahari-po Andriamanitra, „ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9). Mbola torina manerana izao tontolo izao ny Filazantsara, araka ny nambaran’i Jesosy (Marka 13:10). Hararaoty anio izany Vaovao mahafaly izany !