Alahady 10 Janoary 2021

Jesosy, Zanak’Andriamanitra… efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Hebreo 4:14, 15

Tsy zavatra mety ho simba… no nanavotana anareo… fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina. 1 Petera 1:18, 19

 

Jesosy — ny fahamasinany (2)

Nony teraka teto anivontsika Jesosy, dia nanjary „manam-pitoviana amin’ny olona” (Filipiana 2:7). Raha etỳ ivelany, dia tsy misy mampiavaka Azy amin’ny hafa. Nefa dia nisy naha hafa tanteraka Azy tamin’ny olombelona, ary manindry izany manokana ny Tenin’Andriamanitra. Mifanohitra amin’ny taranak’i Adama rehetra Jesosy, satria tsy nanana ota :

— „Kristy… tsy nanota akory” (1 Petera 2:22).

Lavorary ny fitondrantenan’i Jesosy, nankatò an’Andriamanitra mandrakariva Izy, ary tsy mba nanao zava-dratsy na kely aza (Lioka 23:41). Tsy niteny Izy teo anatrehan’ireo nanohitra Azy, ary nanontany azy ireo hoe : „Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota ?” (Jaona 8:46).

— „Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota, hamonjy antsika” (2 Korintiana 5:21).

Masina sy madio io Lehilahy io, ka tsy manan-jara aminy mihitsy ny ota. Nefa rehefa nandray ny fahotantsika tamin’ny tenany Izy, nisolo voina antsika ka nizaka ny fanamelohana izany, dia nokapohin’Ilay Andriamanitra masina ary nafoiny. Ratsy dia ratsy tokoa ny fahotana, eo imason’Andriamanitra !

— „Tsy mba misy ota ao aminy” (1 Jaona 3:5).

Isika rehetra dia mpanota, raha araka ny toetra maha isika antsika ; fa tao amin’ny tenan’i Jesosy kosa, tao amin’ny tenany masina, dia tsy mba nanan-toerana velively ny ota. Tsy nandaitra tamin’i Jesosy mihitsy ny ota.

Eny, lavorary Jesosy, tamin’ny lafiny rehetra. Izy no Ilay Zanak’ondry natolotra ho sorona, Ilay efa noresahin’i Abrahama fahiny (Genesisy 22:8), Ilay „Zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina, Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (1 Petera 1:19, 20), ary fantatr’i Jaona Mpanao batisa ka nambarany mazava hoe : „Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29).