Alatsinainy 11 Janoary 2021

(Hoy Jesosy :) Miseseha hiditra amin’ny varavarana èty ianareo ; fa hoy Izaho aminareo : Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. Lioka 13:24

Izaho no vavahady ; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy. Jaona 10:9

 

Miseseha hiditra

„Bip, bip, bip, bip”. Any Paris, ohatra, ny famantarana amin’ny feo sy ny fipipikan’ny jiro dia milaza amin’ny mpandeha fa hikatona ny varavaran’ny lamasinina. Izany anefa tsy manakana ny olona sasany tratra aoriana tsy hihazakazaka hiditra, na dia tandindomin-doza hihitsoka eo anelanelan’ny varavarana efa hikatona aza izy ireo. Nahoana moa no maro ireo olona vonona hisedra izany loza izany ? nefa anie ka mandalo isaky ny telo na efatra minitra ireny lamasinina ireny e ! Ny fikatsahany hiditra dia mampahatsiaro ilay tenin’i Jesosy hoe : „Miseseha hiditra amin’ny varavarana èty ianareo”.

Nahoana no hisisika ? Nefa dia tsy ny hahafahana mampiditra izay rehetra ananana no lazaina eto. Ary mifanohitra amin’izany aza, fa raha te hiditra amin’izany varavarana izany, dia tsy maintsy mandao, mahafoy, ary tsy mivesatra entana ! Fahiny, tany amin’ny tanàn-dehibe, rehefa tonga ny alina dia nohidina ny vavahady lehibe, mba hitandrovana ny filaminana. Raha nisy olona te hiditra, dia tsy maintsy niditra teo amina vavahady fanampiny izy, vavahady tery dia tery, ary voatery nanajanona teo anoloan’io vavahady io ny entana rehetra.

Toy izany koa ny fidirana amin’ny varavarana èty, dia ilay varavarana mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy afaka hiditra ao raha tsy tafala tamin’ny hambompo, ny fiheveran-tena ho tsara, ny avonavona, ny fitsiriritana ihany koa. Tsy maintsy manatona ny hazofijaliana nanoloran’i Jesosy ny ainy mba hamonjeny antsika, dia izaho sy ianao. Izy no nanokatra ho antsika ny varavaran’ny fampihavanana amin’Andriamanitra. Ilay varavarana èty dia ny varavaran’ny famindrampon’Andriamanitra ihany koa.

Indray andro any dia hihidy io varavarana io. Anio ianao no tokony hiditra amin’izany, anio no tokony hanatona an’i Jesosy.