Talata 12 Janoary 2021

Tsy fantatrao va ? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay namorona ny faran’ny tany ? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy ; tsy takatry ny saina ny fahalalany. Isaia 40:28

 

Iza no afaka mahafantatra an’Andriamanitra ?

Rehefa misaintsaina lalina aho momba an’Andriamanitra, Izay fanahy, momba ny fisiany mandrakizay, ny fanatrehany hatraiza hatraiza sy amin’ny fotoana rehetra, ny fahalehibeazany sy ny fahendreny, ny heriny, dia manako ato anatiko ny fanontaniana hoe : „Takatry ny sainao va ny fomban’Andriamanitra ? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha ?” (Joba 11:7). Rehefa mandinika ny lanitra sy ny tany aho, dia tsy maintsy manaiky fa izay mba hitako dia ampahany bitika monja amin’ireo asan’Ilay Mpahary : „Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy ; fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany ?” (Joba 26:14).

Ary inona no holazaina momba ny fitiavany tsy misy fepetra ? Rehefa mieritreritra ny fikarakarany tsy tapaka aho, dia miantso mafy hoe : „Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitro ô —tsy misy azo ampitahaina aminao. Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina” (Salamo 40:5).

Rehefa mieritreritra ny fahalalan’Andriamanitra ny zavatra rehetra aho, ny fahafantarany tanteraka ny fiainako, dia tsy maintsy miaiky fa mihoatra ny fahatakarako ny fahalehibeazany : „Fa indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô… Ary apetrakao amiko ny tànanao. Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, eny, avo loatra ka tsy tratrako” (Salamo 139:4-6).

Mampianatra antsika hanetry tena ny fetrantsika olombelona, fa ny finoana kosa dia mandray ny fanambarana an’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy, ary manosika antsika hitsaoka. Namorona ny zavatra rehetra Andriamanitra, tsy hoe mba hamenoana banga tsy akory, fa mba hanomezany aina sy fahasambarana ho an’ny olona noarìny, ary handraisany azy ireo ho eo amin’ny fanatrehany be voninahitra.