Alarobia 13 Janoary 2021

Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay… naterak’Andriamanitra. Jaona 1:12, 13

Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra. 1 Jaona 3:1

 

Ilay zazavavy kely zanaka miaramila

Nisy zava-madinika iray mpiseho andavanandro, nanintona ny saiko :

„Zazavavy kely niditra tampoka mba hitady ny rainy teo am-panaovana lanonana miaramila”.

Ilay horonan-tsary dia nampiseho andia-miaramila nilahatra, nahitsy sy nilamina tsara, nanao fanamiana mitovy. Tampoka teo dia nisy zazavavy kely nitsoaka avy terỳ ampitan’ny kianja, nihazakazaka nankeo amin’ireo miaramila, ary namihina ranjo roa, mitovy amin’ny ranjo rehetra. Ny ranjon-drainy io nofihininy io ; niondrika ilay rainy, nitrotro azy, nanoroka azy tam-pitiavana, ary nametraka azy indray tamin’ny tany. Afa-po ilay zaza ary niverina teny amin’ny toerany, teo ambany mason’ireo mpijery hontsahontsa. Dia nitohy ilay lanonana ofisialy…

Tsy manohina antsika ve ny fihetsika tsotra sy mandeha ho azy nataon’io zazavavy kely io ? Nahatsapa faniriana tsy hay tohaina hihazakazaka ho eny amin’ny rainy izy, tsy niraharaha izay fombafomba, ary tsy noheverin’iza na iza hosakanana… Izany ve tsy maneho tsara ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe : „[Ianareo] ankizy madinika… efa mahalala ny Ray ianareo” (1 Jaona 2:13) ? Iray ihany tamin’ireo miaramila ireo no rain’ilay zazavavy kely, nefa hainy ny nanavaka azy tsy am-pisalasalana, tao anatin’ny rehetra !

Ny mpino tsirairay dia manana tombontsoa hahafantatra an’Andriamanitra ho Ray. Tsy fifankahazarana diso toerana tsy akory izany fahalalahana izany, satria am-panajana no anatonantsika Ilay Andriamanitra Avo indrindra. Nefa izany fanajana izany dia tsy manala, na dia kely aza, ny hamamy sy ny maha akaiky dia akaiky ilay fifandraisana.

„Ianareo… nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe : Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika” (Romana 8:15, 16).