Alakamisy 14 Janoary 2021

(Hoy Jesosy :) Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro ; … fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:2, 3

 

Ho avy indray Aho

Teny nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany izany. Tia ny Mpampianatra azy izy ireo, ary nalahelo sy sahiran-tsaina satria nahafantatra fa handao azy ireo Jesosy. Angamba izy ireo nieritreritra indray io fampanantenana io, rehefa nahita ny Tompo nitsangana tamin’ny maty ; nefa herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana dia niakatra irery tany an-danitra Izy ! Koa dia nisalasala ve izy ireo… toy ny fanaontsika matetika loatra ?

Nohamafisin’Andriamanitra tamintsika izany fampanantenana izany, tamina taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly. „Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra” (1 Tesaloniana 4:16).

Inona no vokatr’izany fampanantenana momba ny fiverenan’i Jesosy izany, eo amin’ny fiainantsika ? eo amin’ny fiainako ? Fifaliana toy ny rehefa miandry namana ve ? sa tahotra kely ihany : horaisin’i Jesosy ho eo anilany ve aho, rehefa hiverina Izy ? Hoy Izy : „Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37). Raha misalasala isika, dia ndao hanatona an’i Jesosy. Tsy handà antsika Izy, satria efa nolazainy izany.

Dia ho toy ny fanilo eo amin’ny fiainantsika andavanandro ny fanantenana ny fiverenany. Satria na lazain’izao tontolo izao aza fa ho matroka ny hoavy, dia fantatry ny kristiana kosa fa ho ao amin’izany hoavy izany ny fiverenan’i Kristy.

Afaka manontany tena ihany koa isika hoe : Rehefa hiverina ny Tompo, manao ahoana ny ho fahitany antsika ? Mihevitra ny tombontsoany ve sa ny tombontsoantsika ? Mirehitra ho an’i Jesosy ve ny fontsika sa manadino Azy ? Feno lolompo ve isika sa vonona hamela heloka ? Ndao hiomana amin’ny fiverenany ! Ndao hiambina sy hivavaka.