Zoma 15 Janoary 2021

Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany. 1 Timoty 1:15

 

Tany an-tranomaizina

„Azona karazana fahavezeran-tsaina aho, ary nanao fihetsika feno herisetra tena mahery vaika maromaro, ka nalefa tany amina toeram-pitsaboana olona marary saina, avy eo naiditra an-tranomaizina. Tany aho dia nahafantatra an’i Randy, kristiana voafonja. Nivavaka matetika izy ary namaky Baiboly. Naneso mandrakariva ny finoany aho, nefa nanjary mpinamana ihany izahay, na izany aza. Nandeha teny ny andro, dia nanomboka nanozongozona ahy ireo fanontaniana napetrany tamiko sy ny navaliny ireo fanontaniako. Teo aloha dia noraisiko ho tantara noforonina ho ana olona bado ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty… Nefa tsikelikely teny, dia hoy aho anakampo : Matoa misy olona vonona ho faty noho ny anton-javatra iray, dia satria anton-javatra matotra io ! Koa matoa ny apostoly vonona ho faty ho an’i Jesosy, dia satria izy ireo tena nahita Azy velona, nitsangana tamin’ny maty tokoa.

Nirodana tsirairay ny faharesen-dahatra tao anatiko. Nihevitra ny tenako ho olona ambony noho ny hafa aho, nefa dia nanjary nieritreritra fa ratsy noho ny olona rehetra. Iza no afaka ho tia ahy sy hanome ahy fiainam-baovao ? Nahoana moa no tsy ho io Jesosy resahin’i Randy amiko matetika aoka izany io ? Koa nandohalika aho, ary nivavaka hoe : „Andriamanitra ô, tsy fantatro raha hino Anao aho rahampitso, fa izao aho dia mino Anao ; raha te hiasa ato anatiko Ianao, dia miangavy Anao aho, ataovy izany”. Rehefa nitsangana avy nivavaka aho, dia sambany, hatramin’ny taona maro, no tsy te hanao ratsy olona.

Izaho, izay lehilahy feno herisetra sy mpaniratsira, dia nahazo famindrampo, ary ny fahasoavan’ny Tompontsika dia narotsany be dia be, mba hahatonga ahy ho ohatra ho an’ireo izay hino Azy, hahazoany fiainana mandrakizay (1 Timoty 1:16).”

David