Asabotsy 16 Janoary 2021

(Andriamanitra) nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina. Kolosiana 1:13

… hanafahany (hanafahan’i Jesosy) izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana, noho ny tahotra ny fahafatesana. Hebreo 2:15

 

Tranombakoky ny quai Branly (Frantsa)

Io tranombakoka io dia natokana ho an’ny asa kanto sy ny sivilizasiona tsy tandrefana, avy any Afrika, Azia, Oseania ary Amerika. Hitan’ny mpitsidika azy fa misy lohahevitra telo hatrany, eo amin’ireo kontinanta efatra ireo :

Ny sarontava : manomboka any amin’ireo Nosy Pasifika ka hatrany anivon’i Afrika, hatraiza hatraiza ny olona dia niafina tao ambadika sarontava maro karazana.

Ny fahafatesana : fombafomba maro no mifamatotra amin’ny fahafatesana sy ny any ankoatra.

Ny tontolo tsy hita maso : misy mpisikidy, manana ireo zavajavatra majikany, miezaka mandrava ny vintan-dratsy nalefan’ireo fanahy ratsy.

Dieny any am-piandohan’ny Baiboly dia efa asongadina ireo lohahevitra telo ireo. Tamin’ny alalan’ny menarana dia tonga ny tontolo tsy hita maso, naka fanahy ny mpivady voalohany (Genesisy 3:1). Menatra i Adama sy Eva, satria tsy nankatò an’Andriamanitra, ka niery (3:8). Nohamafisina ny didy milaza fahafatesana, efa nambara mialoha (2:17 ; 3:19). Mandraka ankehitriny dia nanamarika ny zanak’olombelona ny tahotra ny fahafatesana sy ny finoanoam-poana. Fa ny Filazantsara kosa dia mampamirapiratra hazavana lehibe eo amin’izany sehatra rakotra haizimpito izany :

— Tsy misy henatra hafenina intsony : raisin’ny Tompo isika, amin’izao toetrantsika izao, ary avelany heloka. Manaraka izany, omeny antsika ny hery hanaovana ny tsara sy hiainana ao anatin’ny mazava, am-pahitsiana tanteraka.

— Tsy misy tahotra ny fahafatesana intsony : tamin’ny nitsanganan’i Kristy ho velona indray, dia resy ny fahafatesana, ary fantatry ny mpino fa ho any amin’ny Tompo izy rehefa handao ity tontolo ity. Ny fiampitana ho any ankoatra dia fiampitana mankany amin’ny Tompo.

— Tsy misy tahotra ny tontolo tsy hita maso intsony : izay rehetra maizimaizina, misy fanahy ratsy, dia tsy manam-pahefana intsony amin’izay mahalala an’i Jesosy Kristy. Nafahana tamin’ny fahefan’ny maizina izy ary mahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra.