Alahady 17 Janoary 2021

Jesosy… na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia… nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona ; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Filipiana 2:5-8

 

Jesosy — ny fanetrentenany (3)

Adama, ilay olona voalohany, dia te hisandratra sy ho tonga tahaka an’Andriamanitra. Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra kosa, nanafoana ny tenany mba ho tonga olona.

Niaina toy ny olona Jesosy tetỳ an-tany, izay Izy ihany no namorona azy. Nahafantatra ny zavatra rehetra Izy, nahefa ny zavatra rehetra, nahafehy ny zavatra rehetra. Nefa ve Izy nanao izay hampitolagaga antsika tamin’ny fahalehibeazany ? Sanatria ! Tsy tonga mba hotompoina Izy, fa mba hanompo (Marka 10:45). Ny ankamaroan’ny olona nofidiny ho mpianatra dia tsy mba nanana fahalalana firy ; ary nanjary mpanompon’izy ireo Izy, tonga hatramin’ny hoe nanasa ny tongotr’izy ireo mihitsy (Jaona 13:1-15). Nanatona ny mahantra, ny osa, ny fadiranovana Izy, mba hanampy azy ireny, ary tsy nitady na oviana na oviana ny hampitolagaga tamin’ireo fahagagana nataony (Jaona 7:3, 4). Rehefa notadiavin’ny olona hatao mpanjaka Izy, dia lasa nandeha (Jaona 6:15). Nolazain’ny olona hoe mpisotro sy very saina Izy, nefa dia tsy namaly azy ireo akory (Lioka 7:34 ; Jaona 10:20). Niantso ny olona sasatry ny fiainana Izy : „Mankanesa atỳ amiko… Tsy miavona am-po Aho” (Matio 11:29). Izy no olona mora hatonina indrindra.

Taorianan’izany fiainana feno fanetrentena izany Jesosy dia mbola nietry ihany, hatramin’ny fahafatesana, ho fankatoavany an’Andriamanitra. Nororaina Izy, natao toy ny tsy misy haja, ary farany dia nohelohina sy novonoina ho faty teo amin’ny hazofijaliana, teo anelanelana jiolahy roa. Ny fanomboana teo amin’ny hazofijaliana no faniratsirana faratampony an’Ilay Zanak’Andriamanitra masina.

Fa Andriamanitra kosa dia nankasitraka Ilay Jesosy nanetry tena, ary naneho izany : „Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra” (Filipiana 2:9). „Andriamanitra… nanangana Azy tamin’ny maty ka nanome voninahitra Azy” (1 Petera 1:21).