Alatsinainy 18 Janoary 2021

Zavatra iray loha no ataoko : manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony, ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:13, 14

 

Ny manosika ahy handroso

Vao tapitra izay ny taona iray. Fotoanan’ny tombana izao. Izao dia tokony haka lesona avy amin’ny lasa, ary hiroso. Nisy zavatra tsara, nisy ratsy ; nisy fahafaham-po, nisy fahadisoam-panantenana. Hianina amin’ny fahombiazantsika ve isika, na kosa hilavo lefona, satria mahazo antoka fa voaozona tsy hahomby ?

Izaho manokana dia nanana olana, ianao koa angamba : zava-nanahirana, tebiteby, tsy fahombiazana ; ary nofinofy sy fanantenana ihany koa.

Fa ny manosika ahy handroso dia ny fahazoako antoka fa eo am-pelatanana Andriamanitra lehibe ny fiainako :

Andriamanitra tsara fo, efa nanaporofo ny fitiavany, tamin’ny nanomezany an’i Jesosy Kristy, maty teo amin’ny hazofijaliana mba hanaisotra ireo fahotako,

Andriamanitra marina, manatanteraka izay lazainy,

Andriamanitra azo itokisana, nampanantena hanampy ahy ary azoko ianteherana.

Rehefa mijery ny tany aloha aho, dia afaka mihazona ireo fampianarana nomen’Andriamanitra ahy tamin’iny taona lasa iny, ary afaka miantehitra amin’ireo zavatsoa rehetra nataony tamiko.

Raha mijery ny ho any aoriana aho, Andriamanitra dia manome ahy fanantenana ny amin’ny hoavy, sy lalana ho an’ny ankehitriny, izany hoe hivelona mba hanome voninahitra an’i Kristy. Tsy ambarany amiko tsy akory izay rehetra hitranga amin’ity taona ity, izay rehetra hiseho eo amin’ny fiainako, nefa manome toky ahy Izy fa ho hitako miasa eo amin’ny fiainako.

Koa dia voaaro aho, milamina, sambatra, matoky.

Te ho Andriamanitrao koa io Andriamanitro io.

Isao ny soa nataon’Andriamanitra,

Velaro eo imasonao avokoa izy rehetra.

Ho hitanao, rehefa mitsaoka ianao,

Fa maro tsy tambo isaina izy ireo.