Talata 19 Janoary 2021

Moa te ho mpianany koa va ianareo ? Jaona 9:27

 

Andriamanitra ô, mamelà ny heloko (1)

Taona maro lasa izay dia nifankahalala tamin’i Ralph Newman aho, tany Angletera. Nohararaotinay feno ny fialambolinay. Nandany ny alina tany amin’ireny toeram-pandihizana ireny izahay, niaraka tamina namana maro. Niaina ho an’ny fahafinaretanay fotsiny izahay, fa tsy niraharaha an’Andriamanitra, na ny fitiavany, na izay sitrany. Indray hariva izahay dia niara-niresaka an’ilay pasitera tanora teo an-tanàna.

— Olona tsara fanahy iny, hoy i Rendall, ilay mpanamboatra fiara.

— Inona hoe ? Tsara fanahy ? hoy i Ralph. Efa hanjary mpivavaka koa angaha ialahy izany ?

— Mitandrema, Newman a ! Mety haharesy lahatra anao ihany koa izy ! hoy i Rendall, namaly.

— Ahoana ! hoy i Ralph… Ralph Newman ho any am-piangonana ! Aza dia manonofy e ! Nihasorena kokoa hatrany izy, ary nilaza zava-dratsy isan-karazany momba ilay pasitera. Nefa niteny tam-pahatoniana ilay mpanamboatra fiara hoe :

— Mora ny miteny ratsy olona tsy eo anatrehany. Raha tena olona mahitsy ianao, dia mankanesa any am-piangonana hilaza amin’ny pasitera izay rehetra heverinao momba azy, aorianan’ny fotoam-pivavahana.

Nisalasala i Ralph. Ho sahiny ve ny hanaratsy ampahibemaso olona hajain’ny iray tanàna manontolo ?

— Toa tsy dia sahy toy izay lazainao akory ianao izany, Ralph ! hoy ilay namany namazivazy. Nefa tsy te hanaiky izany i Ralph, ka niteny mafy hoe :

— Raha mandeha any am-piangonana daholo ialahy isany amin’ny alahady, dia hoteneniko mifanatrika amin’io zalahy sampontsampona io hoe be resaka momba ny fivavahana fotsiny izy, ary tsy mino akory izay torìny…

Nony farany, dia nanaiky handeha ho any am-piangonana avokoa ny rehetra.

(rahampitso ny tohiny)