Alarobia 20 Janoary 2021

Ny adala manao anakampo hoe : Tsy misy Andriamanitra. Salamo 14:1

Ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Joba 28:28

 

Andriamanitra ô, mamelà ny heloko (2)

Fantatry ny iray tanàna manontolo ny fikasànay. Feno hipoka ny fiangonana, io alahady io. Novoaboasin’ilay pasitera ny teny hoe : „Ny adala manao anakampo hoe : Tsy misy Andriamanitra”. Ho famaranana dia notantarainy ny nanomboana an’i Jesosy :

— Nohomboana teo amina hazofijaliana, toy ny olon-dratsy, ny Zanak’Andriamanitra. Noesoina Izy. Avy eo dia nisy miaramila romana nandefona ny lanivoan’i Jesosy voahombo teo amin’ny hazofijaliana. Nisy ra sy rano nivoaka avy teo amin’ny fery. Ho an’ny kristiana tamin’ny vanimpotoana rehetra, izany zava-niseho izany dia mitarika ho amin’ny fitsaohana : tsy misy fetra ny fitiavan’Andriamanitra, Izay nanome ny Zanany, fitiavana mamaly ny faharatsian’ny olombelona, faharatsiana faratampony. Ny ra nikoriana avy teo amin’ny ferin’i Jesosy dia mampiseho fa maty noho ny fahotako i Kristy. Ny mpanota rehetra dia hain’izany ra izany diovina.

Vita ny toriteny. Nijery an’i Ralph Newman ny olona rehetra. Nefa tsy nihetsika izy. Tampoka teo dia nitsangana i Ralph ary nikiakiaka eran’ny fiangonana hoe :

— Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko ! Izaho io miaramila io, izaho io mpanota io. Izaho no nanombo an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, satria nankahala Azy.

Nangina toy ny nivoaham-paty ny tao am-piangonana. Avy teo dia nisy feon’orga fohifohy. Taoriana kelin’izany dia niresaka tamin’ilay pasitera i Ralph.

Nanomboka tamin’io alahady io dia nanjary olom-baovao i Ralph. Nifindra monina tany Lôndra izy. Nony handeha izy, dia nanontaniako hoe : inona no nahatonga izao fiovana tanteraka izao ?

— Ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Rehefa niresaka an’ilay miaramila nandefona ny lanivoan’ny Tompo Jesosy ny pasitera, sy ilay ra manadio ho afaka amin’ny fahotana, dia tsapako ireo fahotana teo amin’ny fiainako.

Tsy nohamaivanin’i Ralph ny fahotany. Ny zava-niseho tamin’ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia nahatakarany fa lafo indrindra ny saran’ny famelan-keloka omen’ny fahasoavan’Andriamanitra.