Alakamisy 21 Janoary 2021

Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho ; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. Salamo 32:8

 

Iza no mifehy ny fiainako ?

Hoy ny dokambarotra momba ny kilalao video iray : „Mpilalao efa ho 14 tapitrisa sahady ! Mety hifehy ny fiainanao koa io kilalao io…” Ny kilalao sasany tokoa mantsy dia mampiankin-doha faran’izay haingana. Izy ireny dia azo anoloana ny fiainana tena iainana, izay sarotra be, matetika. Mandositra ho any amina tontolo hafa izay toa azo fehezina ny saina. Mety hiankin-doha amina kilalao ny olona, na amina zava-mahadomelina, na fisotro mahamamo, na zavatra hafa maro. Ny fiankinan-doha dia mananontanona izay manaiky hohazonina zavatra iray, ka tsy mahafehy intsony ny fotoana laniany amin’izany.

Inona no mitari-dalana antsika ? Inona no manondro ny lalana tokony hizoran’ny fiainantsika ? Inona no ampiasantsika ny fisiantsika ? Fanontaniana maro tsy maintsy apetraka izany, mba tsy hahavery ny aintsika. Ilaina ve ny aintsika ? Misy dikany ve ? Inona no tanjona kendreko ?

Hoy ny mpaminany iray ao amin’ny Baiboly : „Jehovah ô, fantatro fa tsy… an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany” (Jeremia 10:23). Tian’Andriamanitra ho tsapako fa tsy mahay mitondra tena samirery aho. Raha tsy eo Andriamanitra, dia mirenireny eto an-tany aho, tsy misy lalana, tsy misy tanjona, tsy misy fanantenana. Nefa te hanampy ahy Izy. Tsy maintsy avelako hifehy ny fiainako Izy. Izay hahasoa ahy no tadiaviny. Hoy Izy amiko : „Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa, ary ny fahafatesana sy ny loza, tamin’ny nandidiako anao androany ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao, ka handeha amin’ny làlany, ary hitandrina ny didiny…, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao” (Deoteronomia 30:15, 16).