Zoma 22 Janoary 2021

Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina… Fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay. Salamo 133:1, 3

 

Tahaka ny hazo any an’ala

Miroborobo kokoa mandrakariva ny ala, noho ny hazo iray mitokana. Mitahiry kokoa ny hamandoana izy, lonaka kokoa ny tany eo aminy, ary ny fakany dia mahita sakafo bebe kokoa, mba hahafahan’ny hazo mitombo.

Izany kisarisarin’ny ala izany dia mampirisika antsika hikatsaka ny fiarahana amin’ny kristiana, mba hiara-midera ny Tompo sy hiara-mivavaka, hiara-mahatakatra ny fiheviny, ary hiara-mitombo ao amin’ny finoana… na dia samy manana ny hafainganany aza ny tsirairay.

Any an’ala, ny hazo lehibe dia mafy kokoa ka mahatanty ny famelin’ny rivotra, ary miaro ny hazo kely kokoa. Araka izany, ao anatina fiangonana kristiana iray, ny rahalahy sy anabavy efa zokiolona dia miaro ny tanora kokoa, ary manampy azy ireny hiatrika ny zava-tsarotra eo amin’ny fiainana, miaraka amin’ny Tompo.

Ny fahasamihafan’ireo karazana hazo misy no harena sy hatsaran’ny ala, samy hafa avokoa ny hazo tsirairay ao. Ny itovizan’izy rehetra, dia ny fananany fakany. Toy izany koa, ao anatina fiangonana kristiana, ny tsirairay dia mandray anjara amin’ny firindran’ny fitambarana, nefa tsy maintsy „mamaka” tsara ao amin’ny fitiavan’i Jesosy aloha, tsy maintsy manana fiainana manokana miaraka amin’ny Tompo.

Ny miara-miaina, manana an’i Jesosy eo anivon’ny fiainantsika, ny mifampikarakara, izany no irin’Andriamanitra ho an’ny zanany. Ny fiangonana (na eglizy) misy kristiana mifankatia, mifamela heloka, mifanampy, dia hafatra tsy an-kiteny azon’ny olona rehetra renesina. Izany dia toy ny „tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra” ka „tsy azo afenina” (Matio 5:14).