Asabotsy 23 Janoary 2021

Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany. Salamo 2:2

(Hoy Jesosy :) Haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. Matio 16:18

 

Tsy hay resena ny Fiangonan’ny Tompo

Hafatra nampitaina kristiana nenjehina

„Ny lehibe eto amin’ity tontolo ity dia manohitra ny Fiangonana (izany hoe ny fikambanan’ny kristiana rehetra tena izy) … Nefa tsy hay potehina io Fiangonana io. Fony teraka tany Betlehema Jesosy, dia nikasa hamono Azy i Heroda mpanjaka, nefa tsy nahatanteraka izany. Niezaka ny hamono Azy koa, tatỳ aoriana, ireo mpitondra fivavahana. Ohatra ny nahomby izy ireo, rehefa voahombo teo amin’ny hazofijaliana Jesosy. Saingy nitsangana tamin’ny maty ny Kristy.

Tamin’ny andron’ny apostoly dia niaritra fanenjehana mampihoron-koditra ny Fiangonana tany Jerosalema. Voatery nandositra tany amin’izay azony nandosirana ny mpino. Nihevitra ny fahavalo fa nahafongotra ny Fiangonana. Ny nifanohitra tamin’izany anefa no nitranga. Ireo izay niely dia nandeha nitory ny Vaovao mahafaly teny tontolo eny (Asan’ny Apostoly 8:4). Toy izany no nahatonga ny Filazantsara hanenika ny fanjakana romana manontolo.

Ny olona, raha zohina, dia mioko mandrakariva hanohitra an’Andriamanitra. Te hamongotra ny Fiangonana izy. Enjehiny ny mpino, dorany ny Baiboliny, samboriny ny mpitoriteny, hidiny ny toeram-pivavahana. Zava-poana ihany anefa izany rehetra izany.

Ny Tompo no manorina (sy mihazona) ny Fiangonany, ka tsy hahavita na inona na inona aminy ny herin’ny ratsy. Ilay mipetraka any an-danitra dia mahay manova ny fanoherana ho fotoana fanararaotra hitorina ny Filazantsara. Aoka isika hatoky tanteraka ny Tompo, ”matoky… fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany, mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy„ (Filipiana 1:6), na inona na inona toejavatra manohitra.”

S. Chen (Chine)

(Indray mandeha isam-bolana, ato anatin’ny alimanaka, dia hisy hafatra nanomboka tamin’ny taona 1990, nosoratana mpino nenjehina ary nogadraina, matetika, noho ny finoany.)