Alahady 24 Janoary 2021

Izy (Jesosy)… nandohalika ka nivavaka hoe : Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. Lioka 22:41, 42

Dia hoy Jesosy tamin’i Petera : … Ny kapoaka nomen’ny Raiko Ahy, tsy hosotroiko va ? Jaona 18:11

 

Jesosy — ny fankatoavany (4)

Zavatra tokana ihany no noraran’Andriamanitra tsy hataon’ilay lehilahy voalohany napetrany tao amina saha mahafinaritra : tsy mihinana ny voa-na hazo iray izy. Nefa tsy nankatò i Adama, ary nisafidy hanao ny sitrapony manokana, fa tsy ny an’Andriamanitra.

Mifanohitra amin’izany kosa, ny fitsipi-pitondrantena tsy niova narahin’i Jesosy dia ny nanao ny sitrapon’ny Rainy. „Inty Aho tonga… hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô” (Hebreo 10:7). Ary hoy Izy tamin’ny mpianany : „Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany” (Jaona 4:34). Ary koa hoe : „Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy” (Jaona 6:38).

Ny tsy fankatoavan’ilay olona voalohany dia tena fanimbazimbana an’Andriamanitra mihitsy. Tamin’ny fankatoavany kosa Jesosy dia nanome an’Andriamanitra ny haja mendrika Azy. Tsy noterena hankatò Izy, fa nanao izany tam-pitiavana : „Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ny Ray Ahy, dia izany no ataoko” (Jaona 14:31).

Jesosy dia Andriamanitra, ka tsy misy antony tokony hankatoavany. Nefa rehefa nanjary olona Izy, dia naneho izay tandrify izany toerana izany, dia fankatoavana tsy misy fepetra an’Andriamanitra. Nitondra Azy teo amin’ny hazofijaliana izany fankatoavana izany : „Nanetry tena [Izy] ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana” (Filipiana 2:8). Nomem-boninahitra tanteraka Andriamanitra, tamin’ny fankatoavana lavorary nasehon’i Kristy Jesosy, Izay Olona.