Alatsinainy 25 Janoary 2021

(Hoy Jesosy :) Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko. Matio 7:21

Izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay. Jaona 6:40

 

Ny atao hoe kristiana

— Mpino aho ! hoy ity olona iray, tsy dia nieritreritra loatra.

— Hay ? Fa inona marina moa no inoanao ?

Raha ny tena izy, ny olona rehetra dia samy „mino” zavatra. Eny, fa na ny demonia koa aza ! „Ny demonia koa mba mino […] ka dia mangovitra” (Jakoba 2:19), satria mahafantatra ny herin’Andriamanitra. Tany Atena dia hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo filôzôfa grika : Hitako tato an-tanànanareo ny soratra hoe : Ho an’izay andriamanitra tsy fantatra ! (Asan’ny Apostoly 17:23). Ireo Grika ireo, izay nihambo ho nanam-pahendrena, dia tonga hatramin’ny finoana andriamanitra tsy fantany akory.

Fa inona moa no atao hoe kristiana ? Ndao hodinihina ny tenin’i Jesosy voasoratra erỳ am-piandohana : dia hamita-tena hatramin’izany ve isika ? … Izay rehetra maha izaho ahy, izay rehetra nataoko, ary na izay rehetra inoako aza, dia tsy misy ilàko azy akory, raha toa aho tsy nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiko.

— Ka izaho anie efa natao batisa e !

— Tsy izany no maha kristiana.

— Ka izaho anie mivavaka isanandro e : tsy tapaka mankany am-piangonana aho ; nisedra fizahan-toetra maro…

— Tsy izany koa.

Ny atao hoe kristiana dia ny mahafantatra fa Jesosy irery ihany no Mpamonjy, Ilay nanafaka ahy tsy hiharan’ny famaizana sahaza ahy, satria Izy no nizaka izany, nisolo toerana ahy. Izy no Ilay Mpamonjy nomen’Andriamanitra ahy. Hoy Jesosy : „Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra… Tsy maintsy hateraka indray ianareo” (Jaona 3:3, 7). „Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36). Mino izay ampianarin’i Kristy, mino ny lanjan’ny sorona nataony : izany no atao hoe kristiana.