Talata 26 Janoary 2021

Marina Izy (Andriamanitra) sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy. Romana 3:26

Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana, ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 8:1

 

Tsy misy sazy roa sosona

Tsy misy sazy indroa ho ana heloka iray. Fitsipika mandeha ho azy izany, ho an’ny mpahay lalàna rehetra. Raha misy olona iray nandalo fitsarana, ka nivoaka ny didim-pitsarana, dia tsy misy fanenjehana vaovao azo atao aminy intsony, momba io heloka io. Mitovy amin’izany koa ny fitsipika momba ny fitsaran’Andriamanitra, ary manome antoka tanteraka ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Ndao hazavaina ! Mpanota ny olombelona, na iza na iza, ka mendrika ny fanamelohan’Ilay Andriamanitra masina. Ny sazy mihatra amin’izany dia ny fahalavirana mandrakizay an’Andriamanitra, any amina fijalijaliana tsy misy fiafarany. Hampihorohoro izany, raha tsy misy lalan-kafa hivoahana. Nefa tia ny olona rehetra Jesosy, ary nanaiky hohelohina, hisolo toerana azy ireo. Izy, Ilay tsy nanana ota honerana, na dia iray aza, dia nanaiky hitondra ny fahotan’izy ireo sy hizaka ny famaizana izany. Afaka ho anisan’ireo „izay ao amin’i Kristy Jesosy” ve aho, ka arovany ? Eny, raha miaiky ny fahotako aho, sy manaiky fa Jesosy Kristy dia efa nijaly indray mandeha noho ny ota, „ny Marina hamonjy ny tsy marina” (1 Petera 3:18).

Ankehitriny, efa milamina ny zava-drehetra, ho an’izay mandray izany tolotra omen’ny fitiavan’Andriamanitra izany. Efa navoaka ny didim-pitsarana, efa nefaina ny sazy, Andriamanitra tsy afaka hamerina hitsara raharaha efa notapahina tanteraka. Tsy ho marina Izy, eo anatrehan’ny Zanany, raha manao izany. „Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka” (Salamo 32:1, 2). Ry kristiana, voaaro tanteraka isika, efa nohamarinin’Ilay Andriamanitra marina, ary tsy misy fanamelohana mitatao amintsika intsony !