Alarobia 27 Janoary 2021

Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana ; ary haizina no tambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano. Ary Andriamanitra nanao hoe : Misia mazava ; dia nisy mazava. Genesisy 1:1-3

 

Tamin’ny voalohany…

Tamin’ny voalohany : izany no teny voalohany ao amin’ny Baiboly. Tsy fiandohana tsotra toy ny fiandohana herinandro vaovao tsy akory, fa fiandohan’ny fahariana izao tontolo rehetra izao, araka ny nanaovan’Andriamanitra azy. Ary talohan’izany dia tsy nisy na inona na inona, afa-tsy Ilay Andriamanitra mandrakizay ihany.

Andriamanitra nahary : Andriamanitra irery no manana fahefana hamorona zavatra avy amin’ny tsy misy. Raha ny olona, dia tsy mahay afa-tsy manova izay efa misy.

Ny lanitra sy ny tany : tafapetraka ny sehatry ny tantara manontolon’ny zanak’olombelona. Ny teny sisa ao amin’ny Baiboly dia hiresaka momba ireo fifandraisana misy eo amin’ny tany sy ny lanitra.

Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana : nambara ny toetran’ity planetantsika ity, toetra mampalahelo toy ny ho toetran’ny fon’ny zanak’olombelona atỳ aoriana.

Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano : izany fehezanteny izany ve tsy milaza ny fiheveran’Andriamanitra ny tany, ary ankehitriny ny fiheverany ny olombelona ? „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao…”

Ary Andriamanitra nanao hoe : „Misia mazava” : tamin’izany teny voalohany nolazainy izany Andriamanitra dia nampiditra ny mazava, fanafodin’izay toejavatra mampalahelo. Izany hazavana izany dia maneho an’i Jesosy Kristy. Izy tenany no nilaza hoe : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao” (Jaona 8:12), Ilay „tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra, tonga amin’izao tontolo izao” (Jaona 1:9). Andriamanitra tokoa mantsy dia naniraka ny Zanany Lahitokana, teto amina tontolo very, mba hamonjy izay rehetra mametraka ny fitokisany aminy.

Hatrany am-piandohan’ny Baiboly isika dia mahita ny drafitry ny famonjena mbola atolotr’Andriamanitra mandraka ankehitriny ho an’ny tsirairay. Enga anie ny Filazantsara ka mba ho fiandohana lehibe koa, ho an’ny fiainanao, sy ho fiantombohana fifandraisana marina amin’Andriamanitra.