Alakamisy 28 Janoary 2021

Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika. Izany koa no lazainay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy. 1 Korintiana 2:12, 13

 

Ilay boky miteny amim-pahefana

Imbetsaka ny Baiboly no manamafy fa ny tenin’Andriamanitra mihitsy no ampitainy. Lazain’ny apostoly Paoly fa ny Baiboly manontolo dia avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, marina fa nosoratan’olona, nefa nomban’ny „fofonaina” avy amin’Andriamantra. Izany no mampiavaka azy tanteraka amin’ny boky hafa rehetra, anisan’izany ireo bokim-pivavahana. Izany tsindrimandry izany dia fahagagana ary mahatonga ny Baiboly hanana ny fahefan’Andriamanitra. Aoka isika hamaky azy tsy an-kanao fitsarana an-tendrony, fa an-kitsimpo sy am-paharetana, dia ho henontsika ao ny feon’Andriamanitra.

Ary satria ny Baiboly miteny amin’ny fieritreretan’ny olona, dia manelingelina izy. Ambarany fa tsy maintsy hajaina Andriamanitra, tsy maintsy tiavina, ankatoavina ; fa ny olona kosa mitady hanohitra ny Baiboly. Nefa tsy hampihena ny fahefany izany, na kely aza.

Io Tenin’Andriamanitra io no hany loharano azo antoka ahafantarantsika Ilay Andriamanitra Mpamonjy sy ny drafitra napetrany. Mazava tanteraka ny Teniny, ho an’izay mandray azy io am-pinoana. Ampianariny antsika fa „Andriamanitra… nampihavana antsika taminy, amin’ny alalan’i Kristy” (2 Korintiana 5:18) ; izany no tena zava-miafin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika ! Ambaran’ny Baiboly antsika ihany koa izay rehetra tokony ho fantatsika mba hiainana mifandray amin’Andriamanitra.

Rehefa mamaky io Boky masina io isika, dia aoka hanao izany am-panetrentena, mba handraisantsika avy amin’Andriamanitra ireo fiheviny lalina. Ary aoka hotsarovantsika ihany koa fa izay vonona hanatanteraka ny sitrapony ihany no ampahafatariny izany.

Fankasitrahana toy inona moa no tokony hambarantsika an’Andriamanitra, noho isika afaka mamaky ny „Bokiny”, izay maneho amintsika ny fahalehibeazany, ny fahasoavany, ary ny fitiavany ! Ary faharetana toy inona moa no tokony hananantsika, mba hamaky sy handray am-pinoana ny fahamarinana ampahafantarin’Andriamanitra antsika !