Zoma 29 Janoary 2021

Fa aoka ho mpankatò ny teny (ny tenin’Andriamanitra) ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany. Jakoba 1:22

Aoka ny fonao hitana ny teniko ; tandremo ny didiko, dia ho velona ianao. Ohabolana 4:4

 

Vatakely fampirimam-pitaovana

Tamin’ny nankalazana ny fanambadian’ireto tanora kristiana roa, dia nanome azy ireo hafatra avy ao amin’ny Baiboly ny pasitera, ary avy eo nanolotra Baiboly hovakin’ny fianakavian’izy mivady, sady niteny hoe : „Ity no vatakely fampirimam-pitaovana tsara indrindra azoko omena anareo. Ampiasao isanandro izy ity, fa tsy mety tonta mihitsy”.

Ho an’ny mpino maro, ny Tenin’Andriamanitra dia :

— kanonta manorotoro ny vatolampy, dia ny hamafin’ny fon’olombelona (Jeremia 23:29),

— fanilo manazava ny lalany (Salamo 119:105),

— sabatra maranitra hamantarana raha mifanaraka amin’ny fihevitr’Andriamanitra ny fihevitsika na tsia (Hebreo 4:12).

Ny Tenin’Andriamanitra dia mitondra fifaliana (Jeremia 15:16), fiadanana (Asan’ny Apostoly 10:36), sakafo sy famelombelomana ny fanahy (Salamo 36:8). Izy no fahamarinana (Jaona 17:17), velona sady maharitra mandrakizay (1 Petera 1:23, 25). Teny madio izy (Salamo 12:6). Hitantsika ao anatin’io boky io avokoa izay rehetra ilain’ny aim-panahintsika sy ilaintsika hampitombo ny fahatakarantsika ara-panahy. Raha tiantsika hahasoa antsika ny Baiboly, dia tokony hosokafana sy vakina tsy tapaka sy am-pifantohana tsara. Ndao hizatra hanao toy ny nataon’ny mpanoratra ny salamo faha-119, ilay salamo lava indrindra ao amin’ny Baiboly ary natokana manontolo ho an’ny Tenin’Andriamanitra. Hoy indrindra izy :

— „Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao” (and 11).

— „Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao ; fa ireny no amelomanao ahy” (and 93).

— „Nialoha ny fiambenana amin’ny alina ny masoko, mba hisaintsainako ny teninao” (and 148).

— „Fiereko sy ampingako Ianao ; ny teninao no andrasako” (and 114).