Asabotsy 30 Janoary 2021

Akaiky Ianao, Jehovah ô. Salamo 119:151

Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao ; mitady Anao fatratra aho ; mangetaheta Anao ny fanahiko. Salamo 63:1

 

Ny fijerin’Andriamanitra

Ny andinin-tSoratra masina voalohany omena antsika androany, izay mipetaka eo amin’ny rindrin’ny efitranoko, dia nahatonga namana iray nandalo hanamarika hoe :

— Mba maneritery koa izany, raha hafatra ! Toy ny sarina maso mijery antsika andro aman’alina !

Ho ahy anefa, toy ny ho ana kristiana maro, dia mitondra fiadanana sy fanantenana tsy hita lany io teny io.

Misy fomba samihafa itoerana eo ambany fijerin’Andriamanitra. Ho an’izay mino an’Andriamanitra sy matoky ny fitiavany, dia mahafaka ahiahy ny mahalala fa eo akaikiny ny Tompo. Fantatro fa mihaino ahy Izy rehefa mivavaka aho, fantatro fa mitsinjo ahy Izy. Resahiko aminy ireo alaheloko, ary fenon’ny fiadanany ny foko, satria fantatro fa miara-mitondra amiko ireny fahoriako ireny Izy, ary ho tsara avokoa izay rehetra hataony ho ahy.

Fa izay tsy mahalala an’Andriamanitra kosa dia mety hangorohoro, noho izany. Jehovah, Izay tsara sady be famindrampo amin’ny zanany, dia Andriamanitra marina, ka tsy azony odian-tsy hita ireo fahotantsika. „Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary” eo imasony ; ary „zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tànan’Andriamanitra velona” (Hebreo 4:13 ; 10:31).

Nefa io Andriamanitra io ihany no Ilay tia antsika, ka nanome ny Zanany Lahitokana, mba hanadio antsika ho afaka amin’ny fahotantsika : „Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra… Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika” (1 Jaona 1:7, 9). Koa raha mino ny herin’ny ran’i Kristy isika, mino ny asa lavorary nataony, dia hahita ny fitsaharana, ny fihavanana amin’Andriamanitra, ary ny fifaliana noho ny fahafantarana fa akaiky tokoa Izy ! Am-pitiavana lehibe no isehoan’Andriamanitra amintsika, satria Ray tia antsika Izy. Dia hatahotra ny fijeriny ve isika ?