Alarobia 1 Septambra 2021
Fa raha misy mpihaino ny teny (tenin’Andriamanitra), nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy ; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny. Jakoba 1:23, 24
Ahoana moa ny Baiboly, izay boky nosoratana efa elabe, no afaka hisy fifandraisana amin’ny fiainako ? Dia tena miteny amiko tokoa ve Andriamanitra, amin’ny alalan’ireo teny lazainy amin’olona hafa noho izaho ? Ao amin’ny Baiboly ve dia hahitako zavatra handrenesako ny teny velona lazain’Andriamanitra ?
Marina fa tsy ho antsika mpamaky amin’izao fotoana izao, aloha, no nanoratan’ny mpanoratra ny lahatsoratra ao. Nefa mahagaga fa tena mbola araka ny toetrandro ankehitriny mihitsy io asasoratra tranainy aoka izany io. Marina ihany koa fa mety ho vahiny tanteraka amin’io asasoratra io isika, raha tsy mahatakatra fa Andriamanitra dia miteny amin’ny olona rehetra manokatra ny Baiboly. Natao ho antsika tsirairay mantsy ny hafatry ny Baiboly. Amin’ny alalan’izay voasoratra ao, dia Andriamanitra no miteny amintsika, mitaona antsika hihaona aminy. Eny, miresaka ny fiainako ny Baiboly.
Fa indraindray koa ny Baiboly dia miteny amiko amin’ny fomba mbola mivantana kokoa, toy ny hoe mifanindry tanteraka amin’ny tantarako ny tenin’Andriamanitra, ary manolotra ho ahy ny fanalahidin’izany tantarako izany. Ity salamo vakiko ao amin’ny Baiboly ity, ity tantara-na fiovam-po, na valim-bavaka, na olona azom-pahoriana ity, dia ny fiainako mihitsy. Tampoka eo ny tenin’Andriamanitra dia manome ahy ireo voambolana hamakiko mazava ny ao anatiko. Araka izany, ireo izay nihaino an’i Jesosy dia nahafantatra „fa ny tenany (ny tenan’izy ireo) no nolazainy tamin’izany fanoharana izany” (Marka 12:12). Matetika ny Baiboly rehefa miresaka antsika, dia mba hampionona na hanazava antsika, ary indraindray mba hananatra na hampiova antsika, fa mandrakariva mba hahafahantsika mahafantatra tsara kokoa an’Andriamanitra.
(rahampitso ny tohiny)