Alakamisy 2 Septambra 2021
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy…, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Hebreo 4:12
Hitantsika omaly fa ny Baiboly dia boky miresaka momba ny fiainantsika. Fa fanontaniana mitombina, azoko apetraka amin’ny tenako koa, ny hoe : „Avelako hiteny amin’ny fiainako ve ny Baiboly ?” Tandindomin-doza mantsy aho hiverina mandrakariva amin’ireo lahatsoratra tiako manokana, ka miandalana eny dia tsy hahatsapa akory fa tsy tena mihaino intsony izay tian’Andriamanitra holazaina ahy. Tsy tokony ho hadinoiko fa „izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana…” (2 Timoty 3:16).
Vaovao mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra : tsy niova ireo teny, tantara, na lahatsoratra haiko tsianjery, fa miova hatrany kosa ny akony, isaky ny miantefa amin’ny tantarako. Noho izany koa no ilazana fa velona ny Teny. Tsy mamerin-teny Andriamanitra : avy amin’ireo lahatsoratra tranainy ireo ihany no ivoahan’ny teniny vaovao, tokony hivelomako ankehitriny.
Koa ny fihetsika tsara, izany, dia ny „mampitodika ny tenako” amin’ny Tenin’Andriamanitra, Izay mamaky ny ato anatiko toy ny eo amina boky mivelatra, izany hoe mamela io Teny io handefa ny fahazavany ho ao amin’ny fiainako miafina indrindra… mba hampihetsika ahy.
Io hetsika io, matetika, dia manomboka amina fahatongavan-tsaina, toy ny an’i Davida, izay elaela vao namaly ilay tantara nolazain’ny mpaminany Natana, nefa nony farany, rehefa nahatakatra ny hevitr’ilay hafatra, dia niaiky hoe : „Efa nanota tamin’i Jehovah aho” (2 Samoela 12:13).
Toy izany ny fomba itenenan’ny Baiboly amintsika : mampandini-tena antsika izy, mamaha ny fatorana nitondran’ny fahadisoantsika antsika, mamoaka antsika avy ao amin’ny fonjan’ny kajikajintsika, mba hampiroso antsika ho any amin’Andriamanitra.