Zoma 3 Septambra 2021
Ary teo anatin’ny tafiodrivotra Jehovah dia namaly an’i Joba ka nanao hoe : … Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany ? … Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina ? Joba 38:1, 4, 16
Ny 6 septambra 2017 dia namely mafy ny nosy Saint-Barthélémy sy Saint-Martin ny rivo-mahery Irma, ilay rivo-doza tropikaly mbola tsy nisy nahery toa azy tao amin’ny ranomasimbe Atlantika, nisy rivotra mila hahatratra 300 km isan’ora sy orambatravatra ary onjabe nandravarava. Fahasimbana goavana sy mponina very hevitra no navelan’ilay rivo-mahery. Hoy ny tompon’andraikitra ara-pôlitika iray : „Hitantsika amin’izany ny harefontsika sy ny fetra araka ny maha olombelona antsika… Enga anie izany ka mba handraisantsika lesona !”
Apetraky ny Baiboly amintsika ny fanontaniana hoe : „Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany ? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany ? … Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany ? Fa toa fantatrao !” (Ohabolana 30:4) Azontsika ampangaina ny voary, azontsika ampangaina ny fitombon’ny hafanan’ny toetrandro ; nefa raha zohina, tsy fantatsika ve fa Andriamanitra no mitantana ny zavatra rehetra ? Te hiteny amintsika am-pitiavana Izy, nefa indraindray dia tsy maintsy miteny amin’ny fomba mahery koa. Raha miaina ao anaty zava-mampiadana mantsy isika, dia mety hihevitra fa haharitra mandrakizay izany. Fa Andriamanitra kosa, indraindray, dia maneho amintsika ny harefontsika sy ny heriny tsitoha. Ampahatsahiviny antsika fa tsy maintsy hihaona aminy isika, indray andro any, ka hanao tatitra. Olona noarìny isika, ka tiany hampidirina ao amin’ny fahasambarana sy voninahitra izay Azy manokana (1 Tesaloniana 2:12). Ho amin’izany anefa dia tsy maintsy mihavana aminy isika. Efa nataon’i Jesosy avokoa ny zavatra rehetra ho amin’izany fampihavanana izany. Ho amin’izany no nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Ndao hitodika aminy, androany. Tsy fantatsika mantsy izay hitranga amintsika rahampitso.