Asabotsy 4 Septambra 2021

Tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany (anatrehan’Andriamanitra) ; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika. Hebreo 4:13

 

Polisy kely

Jamie dia zazalahy Kanadiana nipetraka tany Ottawa (renivohitr’i Canada) tamin’ny taona valopolo sy sivinjato sy arivo tany ho any. Indray andro dia niaraka tamin’ny reniny izy, mba hividy anjombona kely fanairana mitovy amin’ny an’ny polisy, ho an’ny bisikileta keliny. Nofinofiny efa hatry ny ela ny mba hanana izany ! Teny an-dalana hody dia nandraman’i Jamie ilay anjombona, ka nampitsamboatra lehilahy iray nandeha teo anoloany ilay feo nikiririoka. Nijanona tampoka ilay lehilahy, raiki-tahotra, ka nandositra sady nanipy ny kitapo nentiny. Dia firavaka maro avy tao anatiny no niparitaka teo an-tsisin-dalana.

Noraofin’ny renin’i Jamie ireo, dia niantso ny polisy izy ; avy nangalarina tamina vakin-trano vao haingana ireo firavaka ireo. Nanakana ilay mpangalatra tsy hivarotra ireo firavaka ireo ilay zazalahy. Narahabain’ny polisy izy noho izany, satria nanjary „lefitra” tanora indrindra teo amin’izy ireo.

Mety misy olona maro mandika lalàna na manao ratsy, nefa tsy misy mahatratra mandritra ny fiainany. Nefa ampahafantarin’ny Baiboly antsika fa hitan’Andriamanitra izay rehetra ataontsika, ary na izay eritreretintsika ihany koa aza. Ny zavatra rehetra dia voasoratra ao amin’ny bokiny, izay hosokafana indray andro any, mba hitsarana ny tsirairay araka izay voasoratra ao. Andriamanitra dia marina, ka zava-dratsy iray monja ataontsika dia mampanalavitra antsika aminy. Koa mendrika antsika ny fahafatesana, satria iza moa no afaka hilaza fa nanao ny tsara mandrakariva ?

Hazavain’ny Baiboly antsika fa nahita fomba mahagaga Andriamanitra, hampifanarahany ny fahamarinany lavorary amin’ny fahamoram-panahiny. Izany fomba izany dia Jesosy Kristy, Izay nivesatra ny famaizana ny fahotan’izay mino Azy. Mba hahafantaranao izany misimisy kokoa, dia vakio ny Baiboly, indrindra ny Testamenta Vaovao.