Alahady 5 Septambra 2021

Jesosy Kristy Zanany… no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20

Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany. Jaona 7:46

 

Iza moa Jesosy, aminao ?

Misy gazety iray mpiseho isan-kerinandro, manontany tsy tapaka olona ambony, ary mametraka matetika ny fanontaniana hoe : „Iza moa Jesosy, aminao ?” Isan-karazany ny valin-teny, ary maniratsira mihitsy aza : „Ilay iraky maneran-tany manambara ny fitiavana, revolisionera, Ilay namako mahatoky indrindra, Ilay tonga nofo, ilay mampiseho ny maha Andriamanitra ahy…”

Fony tetỳ an-tany Jesosy, dia Izy mihitsy no nametraka io fanontaniana io tamin’ireo izay niaraka taminy : „Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza ?” (Matio 16:15). Mbola samihafa be koa ny valinteny : Jaona Mpanao batisa, Elia, Jeremia, na iray amin’ireo mpaminany. Valinteny tokana no nankasitrahin’i Jesosy, dia ny an’i Simona Petera, izay niaiky ny fahalehibeazany : „Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16:16). Avy tamin’Andriamanitra no nandraisan’i Petera ny fanambarana hoe Ilay olona tonga teto amin’izao tontolo izao, teo anivon’ny olona hafa, dia ambony lavitra noho izany. Andriamanitra Izy, Zanak’Andriamanitra nanjary olona, tonga „mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” (Marka 10:45). Ny fiainan’i Jesosy dia nampiseho ireo halavorariny ara-toe-panahy aman-tsaina. Masina Izy, tsy nanota akory, tsy mba nisy fitaka teo am-bavany (1 Petera 2:22). Ny halavorariny amin’ny maha tena olona Azy sy ny maha Andriamanitra Azy no nahafahany nanatanteraka ilay asa manaisotra ny fahotan’ireo izay mino Azy. Teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fanadiovana hahafaka ny fahotana (Hebreo 1:3).

Ny mpino dia afaka miteny am-pankasitrahana hoe : Jesosy no Mpamonjy ahy, Tompoko, Ilay miaraka amiko etỳ an-tany ankehitriny ; ary tsy ho ela aho dia hiaraka aminy, hahita Azy any an-danitra.