Alatsinainy 6 Septambra 2021
Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo, hiala amin’Izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy, ho amin’ny filazantsara hafa, izay tsy filazantsara akory ; fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo, ka ta hamadika ny filazantsaran’i Kristy. Galatiana 1:6, 7
„Alohan’ny handraisanao an’i Jesosy ho ohatra halaina tahaka, dia tsy maintsy ekenao Izy ho Ilay nomen’Andriamanitra anao ; izany no fototra iorenan’ny Filazantsara. Aorianan’izay ianao vao afaka mandray Azy ho ohatra. Izany mantsy no Filazantsara ekena araka ny tokony ho izy. Tsy nisy mihitsy olona afaka nitolagaga satria nahatakatra feno hoe Andriamanitra anie ka nanolotra ho antsika io Fanomezana io. Toy ny afo miredareda ny fitiavan’Andriamanitra antsika ; io fitiavany io no mahatonga ny fo sy ny fieritreretana ho faly, io no maha feno antoka sy fahafaham-po antsika.
Araka izany, ny hoe mino ny Filazantsara dia hoe mandray an’i Kristy ho Mpamonjy, fa tsy hoe te hanatanteraka lalàna, toy ny lalàna nomena an’i Mosesy. Aza atao Mosesy faharoa i Kristy, toy ny hoe tsy misy na inona na inona ataony, afa-tsy ny mampianatra sy manome ohatra, toy ny hoe ny Filazantsara dia boky fianarana na fehezan-dalàna.
Saintsaino àry izao : Rehefa raisinao ho Fanomezana i Kristy, dia mahatonga anao ho kristiana sady manjary sakafo ho an’ny finoanao. Samy hafa tanteraka ny fanomezana sy ny ohatra, ka mifanalavitra toy izany koa ny finoana sy ny asa. Hitanao, araka izany, fa ny Filazantsara dia tsy bokina lalàna sy didy mibaiko ny asantsika, fa boky mirakitra fampanantenana avy amin’Andriamanitra, boky ampanantenany sy anolorany ary anomezany ho antsika ny rakitra sarobidy sy zavatsoa rehetra ao amin’i Kristy. Izany irery ihany no Filazantsara, dia hoe Kristy manatona antsika sy mitondra antsika ho eo aminy. Anao i Kristy, satria nomen’Andriamanitra anao.”
(araka an’i Martin Luther)