Talata 7 Septambra 2021
Tsy hanan-java-mahory aho. Salamo 23:1
(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va ? Dia hoy ireo : Tsy nisy. Lioka 22:35
Vao nifindra tao amina efitranona mpianatry ny oniversite i Hervé. Noho izany izy dia nomen’ny zokiny vavy sary hosodoko voaravaky ny andinin-tSoratra Masina hoe : „Jehovah no Mpiandry ahy ; tsy hanan-java-mahory aho”. Nefa nony hametaka azy io teo amin’ny rindrina izy dia nisalasala, ka nampirina azy tao anaty lalimoara. Raha ny marina, mantsy, dia tsy vitany ny nilaza hoe „tsy hanan-java-mahory” izy. Afaka niteny ihany izy hoe : „Jehovah no Mpiandry ahy”, nefa tsy afaka nanohy ilay andinin-tSoratra Masina.
Nandeha teny ny volana vitsivitsy, niha nahafantatra tsara kokoa ny Tompo i Hervé, ka navoakany indray ilay sary nafeniny, ary napetany ho talaky maso tsara. Nanomboka teo dia am-polon-taona no nifandimby, ary niha sarobidy kokoa hatrany taminy io andinin-tSoratra Masina io.
Afaka mitanisa zavatra tsy ampy eo aminy ny tsirairay : misy tsy manam-bady, misy hafa tsy manan-janaka ; iray fahatelo, kely vola hamelomany ny zanany maro… Nefa ny mpino dia matoky tanteraka, ka miaiky am-pinoana fa tsy hanan-java-mahory.
Ny Tompo, noho ny fikarakarany tsy miovaova sy ny fanatrehany mihitsy, dia mahay mamaly isanandro ireo filàna lalina indrindra ao amin’ny olony. Koa afaka miteny izy ireo hoe : „Efa novonjen’i Jehovah isika hatramin’izao” (1 Samoela 7:12), sady mahazo antoka fa ho toy izany hatrany mandra-piafaran’ny fiainana : „Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo” (Isaia 46:4).
Mety nandalo toejavatra mampijaly azy ny mpino, saingy tsy manadino fa nanampy azy hatrany Ilay Mpiandry. Na dia toa tsy azo antoka aza ny hoavy, dia miandrandra ny Tompony izy, ka tsy manahy ny amin’ny ampitso.