Alarobia 8 Septambra 2021
Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko ; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra. Salamo 103:2
Aoka hidera an’i Jehovah ireo, noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona ! Salamo 107:8
Ny „Tafika Famonjena”, Armée du Salut, dia fikambanana protestanta naorin’i William Booth (1829-1912) hitorina ny Filazantsara sy hanaovana asa soa. Efa misy eto Madagasikara izy io, nanomboka tamin’ny 23 oktobra 2016. Tantarain’i William Booth ao amina taratasiny iray, araka ny fomba fiteny tamin’izany fotoana izany, ny tantara kely iray misy dikany lehibe ho antsika ankehitriny. Nandritra ny fifanakalozan-kevitra iray natao-na tompon’andraikitra kristiana, dia nisy iray tamin’izy ireo niresaka lavabe momba ireo olana sy fahadisoam-panantenana mahazo azy, mikasika ireo rahalahy sy anabaviny amin’ny finoana. Nanohy izany ny iray hafa, hoe : „Hitako fa monina ao amin’ny lalan’ny Fitarainana ilay namana vao niteny teo. Efa nipetraka vetivety tany koa aho, ka tsy nahazo aina mihitsy. Maloto ny rivotra, mando sy maizimaizina ny trano, ratsy ny rano ; ny vorona, tsy mihirahira mihitsy ; ary izaho aza dia nalahelo sy sorena lava…
Nefa nifindra trano aho, ary mipetraka ao amin’ny lalan’ny Fankasitrahana mandraka ankehitriny, ka nanomboka tamin’izay dia samy salama izaho sy ny ankohonako. Madio ny rivotra ao, madio ny rano ; ny trano, mahasalama sady mahazo hainandro ; mikalokalo ny vorona ; ary izaho, sambatra dieny maraina ka mandra-pahariva ny andro. Raha hanoro hevitra ilay rahalahintsika teo aho, dia hilaza aminy hifindra monina any koa. Maro trano ahofa ao amin’ny lalan’ny Fankasitrahana. Ka raha te ho any izy, dia azoko antoka fa ho voaova, ary izaho aza dia tena ho faly, manana azy ho mpifanolo-bodirindrina.”
Aoka hosaintsainintsika matetika kokoa ireo fanomezana samihafa omen’Andriamanitra antsika. Aoka tsy hitaraindraina amin’izay tsy ampy eo amintsika na amin’izay zavatra tsy mandeha, fa kosa hiezaka hamisavisa ireo zavatsoa nomeny. Angamba koa isika, amin’izay, ho afaka hitondra fitiavana kely, fifaliana, fiadanana eo amin’ny faritra onenantsika ?