Alakamisy 9 Septambra 2021

Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, ka dia namaly ahy Izy. Jona 2:3

Tsy handao anao na hahafoy anao Aho. Josoa 1:5

 

Nafoin’ny olona rehetra hoe ?

Nisy vanimpotoana nampangirifiry teo amin’ny fiainan’i Davida mpanjaka. Tany an’ady izy, niaraka tamina miaramilany vitsivitsy, dia nahita lehilahy iray efa ho fatin’ny hanoanana. Nomeny hanina sy notsaboiny io olona io, dia nanontaniany momba ny fiaviany sy ny tantarany. Izao no navaliny : „Zatovo Egyptiana, mpanompon’ny Amalekita anankiray, aho ; ary narian’ny tompoko aho, fa narary afakomaly” (1 Samoela 30:13). Nanjary nanelingelina izy, ka nariana fotsiny, tsotra izao !

Taloha ihany ve no nisy fihetsika maharikoriko toy izany ? Tsia, indrisy ! Mpamaky maro angamba no mahatsapa tena ho nafoin’ny rehetra, toy io Egyptiana io. Lehilahy na vehivavy nilaozan’ny vadiny, satria tsy nahafinaritra azy intsony ; olona antitra narian’ny fianakaviany ; olona noroahin’ny mpampiasa tsy amin’antony, afa-tsy hoe tsy mamokatra firy intsony…

Inona no hatao ? Amin’iza no hitodika ? Taomin’ny andinin-tSoratra Masina nomena androany ianao, hatoky an’i Jesosy. Tsy handiso fanantenana anao Izy, ary tsy handao anao na oviana na oviana. Tiany loatra ianao, ka nekeny ny ho faty, mba hanomezany anao ny fiainana mandrakizay. Tsy voatery Izy hamaha ny olana mianjady aminao, toy ny famafa solaitra, nefa kosa homeny hery ianao hiatrehanao izany am-pahatoniana. Ankehitriny, toy ny tamin’ny 2000 taona lasa, dia mbola re ny feony miantso hoe : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).