Zoma 10 Septambra 2021

Ny lalànan’ny vavanao (ny tenin’Andriamanitra) no mahatsara ahy, mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo. Salamo 119:72

 

Baiboly sy finday „smartphone”

Tamin’ny volana jolay 2016 dia nambara-na lahatsoratra an-gazety fa nihoatra ny arivo tapitrisa ny finday „smartphone” lafo-na orinasa amerikana iray, raha atambatra ny karazany rehetra.

Dia nanambara ny talen’ilay orinasa hoe : „Ny smartphone-nay dia nanjary anisan’ireo vokatra tena manan-danja indrindra, nanova be indrindra izao tontolo izao, ary nankafizina indrindra teo amin’ny tantara, sady manana anjara lehibe eo amin’ny fiainantsika andavanandro”. Nasongadin’ilay nanoratra ny lahatsoratra fa vitsy, teo amin’ny tantara, ny zavatra namidy ka nahatratra na nihoatra io tarehi-marika io… ankoatra ny Baiboly !

Nanomboka tamin’ny nanontana azy voalohany, tamin’ny taona 1452, dia mihoatra ny enina arivo tapitrisa ny Baiboly voatonta (Bible Statistics 2016). Fa ny manaitra dia ny voalazan’ny lahatsoratra erỳ am-piandohana, izay marina kokoa ho an’ny Baiboly aza, noho ny ho an’ny smartphone.

Ho an’ny kristiana, ny Baiboly no zavatra lehibe indrindra, ilay nanova indrindra ny fiainany, ary tena ilainy eo amin’ny fiainany andavanandro. Ny antony ve ? Satria ny Baiboly dia boky tsy manan-tsahala, miantefa amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka. Olona marobe no namaky azy, ka resy lahatra fa marina ny lazainy momba an’Andriamanitra sy momba ny olona. Ny Baiboly no manome valinteny marina, ho an’ireo fanontaniana fototra : Iza aho ? Inona no dikan’ny fiainako ? Inona no misy aorianan’ny fahafatesana ?

Ny famakiana ny Baiboly dia fihaonana afaka manova ny fiainanao. Taominay ianao hamaky ilay boky vita printy betsaka indrindra, be mpamaky indrindra, voadika betsaka indrindra eran’izao tontolo izao. Fantatrao ve fa azonao alaina maimaimpoana ho ao anatin’ny smartphone-nao izy ?