Asabotsy 11 Septambra 2021

Zavatra iray loha no ataoko ; manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha ; eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony, ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:13, 14

 

Antony tokana ahavelomana

„Ny fanatanjahantena no hany antony ahavelomako.” Tamin’ny lalao olympika farany teo, ho an’ny sembana (lalao paralympika), dia nambara-na mpanao gazety iray ny antony nanosika ity vehivavy belza sembana mpanao fanatanjahantena. „Fotoana fohy kely sisa no hahavelomany, teo amin’ny faha-37 taonany ; ary tany Rio no niainany ny lalao paralympika farany teo amin’ny fiainany… Ity vehivavy mpihazakazaka amin’ny seza fanosika ity dia nanao ny fanatanjahantena ho antony farany ahavelomany. Izy dia voan’aretina tsy hay sitranina, mpahazo olona vitsy dia vitsy, nahatonga azy halemy tongotra, ka ny fanatanjahantena no hitany ho fierena sy fitsaharana mahavonjy.”

Azo raisina ho ohatra ny herimpon’io mpanao fanatanjahantena io. Ny tsirairay dia mahatsapa fa ilaina ny manome dikany ny fiainany, ny manatratra tanjona iray sy ny manana antony manosika hanatrarana izany. Matetika manamora ny fahombiazana ny tsy mikatsaka afa-tsy tanjona tokana.

Raisin’ny apostoly Paoly ho ohatra ny mpanao fanatanjahantena mampiasa ny heriny mba hahazoan’izy ireo ny loka. Izy tenany dia nanana izany herimpo sy fikirizana izany. Saingy hafa tanteraka ny tanjony. Tao amin’i Jesosy Kristy no nahitany Mpamonjy, ohatra halain-tahaka, ary tanjona hotratrarina. Tsy voninahitra mihelina ho an’ny tenany no nokatsahiny. Ny tanjony dia tsy mba zavatra mandalo, fa nifamatotra tamin’i Kristy mihitsy, Izay nanovozany ny heriny sy ny fifaliany.

„Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay ; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa” (2 Timoty 4:7, 8).