Alahady 12 Septambra 2021
Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona, no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy ; dia isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy. 1 Korintiana 2:9, 10
Ny fanahy, ao anaty vatan’ny olombelona, dia azo oharina amina voronkely mbola ao anaty akoran’atody. Raha misy fomba ahafantaran’ilay zana-boronkely fa any ivelan’io akorany io dia misy tontolo midadasika feno hazavana, voninkazo, ahi-maitso, renirano sy havoana ; ary raha ilazana izy fa mahafinaritra ny zavatra rehetra, sy hoe miaina ao amin’io tontolo io ny ray aman-dreniny, ka ho anisan’io tontolo io izy rehefa mivoaka avy ao amin’ny akorany —raha ilazana izany izy, dia tsy hahatakatra na inona na inona ary tsy hino na inona na inona amin’izay tantaraina azy. Raha afaka hanazava aminy ianao fa hahita izany rehetra izany amin’ny masokeliny izy, indray andro any, ary hanidina amin’ny elany mbola tsy lavorary, dia tsy hino koa ; tsy hisy porofo, na inona na inona, haharesy lahatra azy.
Toy izany koa, olona maro no tsy mino na ny fiainana ho avy na ny fisian’Andriamanitra, satria tsy afaka hahita izany izy, raha mbola ao anatin’ny vatany eto an-tany ihany koa. Toy ny elatra marefo loatra ny vinavinany, ka tsy afaka hanidina mihoatra ny fetran’ny sainy ; ary ny masony ara-batana dia tsy afaka mahita ny zavatra mahafinaritra sy mandrakizay omanin’Andriamanitra ho an’ireo tia Azy.
Ny olona dia voary voafetra, ka mila ny finoana raha te hahatakatra ny zava-miafina momba Ilay Andriamanitra tsy misy fetra. Tsy vitan’ny faharanitan-tsain’olombelona mantsy ny mitsofoka ao amin’ny halalin’ny tsiambaratelon’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fahaizany voajanahary sy ny fahalalana kely ananany.
(araka an’i Sundar Singh)