Alatsinainy 13 Septambra 2021
Aza manasa-tena hanankarena… Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy ? Fa maniry elatra tokoa izy. Ohabolana 23:4, 5
Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. 1 Timoty 6:6
Ny solosaina eny amin’ny toeram-pikirakirana vola rehetra maneran-tany dia baikoina mba hampivarotra raha vao tafidina ambanina fetra iray efa voafaritra ny taratasim-bola. Raha araka ny vivavina, dia atao izany mba hisorohana fatiantoka be loatra. Nefa tamin’ny 17 oktobra 1987 dia tsy voafehy ny solosaina, ka noho ny baiko tohy vakana nalefan’ireo solosaina ireo, dia vola dôlara an’arivo tapitrisa maro no nanjavona, lasa setroka, tao anatin’ny ora vitsy monja. Loza tsy hay lazaina ny vokatr’izany bankirompitra izany, ho an’olona an-tapitrisany avy amin’ny sokajim-piarahamonina rehetra.
„Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina”, hoy ny apostoly Jakoba, niresaka ny fananana etỳ an-tany (Jakoba 5:3). Sarinteny izany, mazava ho azy, satria fantatsika fa tsy mety voan’ny harafesina ny metaly sarobidy. Nefa kisarisary manaitra izany, satria mifanaraka tsara amina fitotonganan’ny sandam-bola, na amina toejavatra toy izay nitranga tamin’io 17 oktobra io.
Ny harena omen’Andriamanitra ny zanany dia voaaro tsy ho tratra-na toejavatra tampoka toy izany, satria harena karazany hafa. Tsy misy na inona na inona afaka mampihena ny sandany. Manjary „mpiray lova amin’i Kristy” isika (Romana 8:17), miara-manana aminy ireo tena harena, izay Izy irery ihany no afaka manome azy ireo ho antsika, ary anisan’izany indrindra ny fiadanana sy ny fifaliana (Romana 14:17). Izany dia vokatry ny tombontsoa tsy hay tombanana amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika, noho ny finoana an’i Jesosy Kristy. Dieny mbola eto an-tany ny mpino dia antsoina mba hahafantatra sy hankasitraka ny antsoin’ny apostoly Paoly hoe „haben’ny harenan’ny fahasoavany (ny fahasoavan’Andriamanitra)” (Efesiana 2:7).
Ianao ve mba manana ny tena harena ?