Talata 14 Septambra 2021

Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy ; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Salamo 23:2

(Hoy Jesosy :) Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy, dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny, ho fiainana mandrakizay. Jaona 4:14

 

Famoaboasana ny Salamo 23 (3)

Ahimaitso sy rano fialantsasatra

Any atsimon’i Israely dia misy faritra karakaina, mila ho taniefitra mihitsy. Davida dia efa mpiandry ondry, ka nahafantatra ny hevitry ny hoe mitondra ny andian’ondriny any amina toerana ahafahan’ny ondry miala sasatra sy miala hetaheta. Rehefa izy no miresaka „ahi-maitso” sy „rano fialan-tsasatra”, ny tonga ao an-tsaina dia tany lonaka any an-taniefitra, toeram-pialofana maha te honina, eo anivona tontolo mankahala sy mikorontana.

Ho antsika izay mahafantatra ny Tompo, inona no dikan’ireo kisarisary ireo ? Jesosy mihitsy no sakafo ho an’ny fanahintsika, Izy no „mofo velona izay nidina avy tany an-danitra” (Jaona 6:51). Izy no „manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay”, teny fanahy sy fiainana (Jaona 6:68, 63), ka mahavaly ny hetahetantsika ara-panahy. Te hamoky ny fanahintsika ny Tompo, ary te hanome fitsaharana antsika. Matetika Izy no miteny amintsika, toy ny tamin’ny mpianany efa sasatra, hoe : „Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely” (Marka 6:31).

Amin’ny fotoana inona isika no mba tena mankamamy izany fitsaharana izany ? Amin’ny fotoana fiombonana aminy, irery miaraka aminy, rehefa mamaky ny Teniny, ary mivavaka aminy sy mitsaoka Azy.

Nefa ny ondry dia miara-miala sasatra ihany koa amin’ny andiany misy azy. Koa tarihin’ny Tompo ny olony hihaona any amin’ireo fivoriana kristiana, mba hidera Azy, hihira fihirana, ary hihaino ny Teniny. Fotoana mahasambatra ireny, satria mampahery sy mamelombelona ny fanahy.