Alarobia 15 Septambra 2021
Izay olona matoky an’i Jehovah, dia… ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano…, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha ; ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny. Jeremia 17:7, 8
Matetika ny Baiboly dia maka kisarisary avy amin’ny voary, mba hahatakarantsika tsara kokoa ireo zavamisy tsy hita maso momba ny finoana. Araka izany i Jeremia mpaminany dia nampitaha ny mpino mitoky amin’Andriamanitra, amina hazo manam-paka mahazo hanina tsara sy mbola afaka mamoa hatrany, mandritra ny haintany.
Ny hazo salama dia manana faka ahafahany misintona hanina tsara. Manana ravina ihany koa izy, ahafahany mitombo manakatra ny lanitra. Endre ! izany ohatra ho antsika kristiana ! Ny faka dia manambara amintsika ny tsy hita maso, nefa mahatonga ny herin’ny hazo. Ny ravina kosa dia mampahatsiahy izay hita maso eo amin’ny kristiana.
Tokony hataontsika andrimaso ny fakantsika, ilay ampahany miafina amin’ny fiainantsika. Aza ny hanompo ny Tompo fotsiny ihany no raisintsika ho tanjona ifandraisana aminy ! Nofidin’i Jesosy mantsy ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy „mba ho ao aminy” (Marka 3:14, 15) aloha, ary avy eo vao hirahiny hitoriteny sy hanasitrana. Isika ihany koa dia tokony hampifandanja tsara ny raharaha sy ny fialan-tsasatra, mbamin’ny fisaintsainana sy ny asa, ary ny fandinihana sy ny fampiharana.
Alaim-panahy mandrakariva isika hitady ny loharanon’ny fiombonantsika amin’Andriamanitra ao amina fanaovana asa kristiana betsaka. Nefa ny mifamadika amin’izany no marina : arakaraka ny maha akaikin’ny Tompo antsika no hamokarantsika betsaka tsy tsapantsika akory.
Ny ravina dia izay hitan’ny hafa eny amintsika, manomboka amin’ireo akaiky antsika. Ny fiainan’ny kristiana dia tokony ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra, fitiavana inoana sy ankamamiana ary iainana.