Alakamisy 16 Septambra 2021

Dia hoy Jesosy tamin’ny Jiosy izay nino Azy : Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa ; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. Jaona 8:31, 32

 

Samy manana ny ataony hoe marina

Tadiavina ho azo tanisaina ny hoe marina : ny marina amiko, ny marina aminao, ny marina aminy… Heverina fa rehefa eo ny finiavana, ampiana fandeferana misimisy, dia handeha tsara ny zavatra rehetra.

Moa ve tsy misy afa-tsy fahamarinana miankina amin’ny tsirairay ary mety hiovaova arakaraka ny vanimpotoana, ny sivilizasiona, na ny lamaody koa aza ? Pilato dia lehilahy mpanao pôlitika fahizany, nandray anjara lehibe tamin’ny fanamelohana an’i Jesosy Kristy. Hoy Jesosy taminy : „Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko”. Namaly Azy i Pilato hoe : „Inona no marina ?” (Jaona 18:37, 38). Nefa tsy tena fanontaniana io, fa teny fanesoana hialany amin’ny fieritreretany voatsindrona. Izy rahateo aza tsy niandry ny valiny.

Eny, amin’ny maha olombelona dia vitsy tokoa ny fahazoana antoka ; fa ho an’Ilay Andriamanitra mandrakizay kosa, Izay tsy miova, dia tokana ny marina, dia ilay tiany nampahafatarina ny olona, tamin’ny nanirahany ny Zanany tetỳ an-tany. Araka izany dia hoy Jesosy : „Izaho no… fahamarinana” (Jaona 14:6). Tsy ho an’ny olona tamin’ny vanimpotoanany fotsiny ihany Jesosy no hoe Ilay fahamarinana tonga nofo. Fa Izy no Ilay tena fahamarinana, tsy miovaova, namakivaky ny vanimpotoana rehetra. Izay rehetra nolazainy, ary koa izay rehetra maha Izy Azy, no marina ho antsika tsirairay, mandraka ankehitriny.

Ny mahafantatra ny marina no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny olombelona.

Raha maha tofoka anao ireo lazain’ny olona ho fahamarinana, fahamarinana nifandimbidimby, dia mitodiha amin’i Jesosy. Mivavaha mba hanehoany aminao ny tenany. Hasehony anao ny maha ianao anao, nefa holazainy anao koa ny halehiben’ny fitiavany anao, mbamin’ny faniriany fatratra hamonjy anao sy hiditra eo amin’ny fiainanao.