Zoma 17 Septambra 2021
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16
Nandritra ilay ady an-trano tany Amerika dia niasa ho mpamatsy ara-panahy tany ambava ady ny evanjelista Moody. Hoy izy indray andro, tamina miaramila iray naratra mafy :
— Mba te hilanja anao eo an-tsoroko ho any an-danitra aho, nefa tsy afaka manao izany.
— Fa iza no afaka manao izany ? hoy ilay miaramila nanontany.
— Jesosy Kristy irery ihany. Ho amin’izany no nahatongavany.
Nanifikifika ny lohany ilay miaramila, niteny hoe :
— Tsia, tsy afaka hamonjy ahy Izy ; nanota aho nandritra ny fiainako manontolo.
— Nefa ny Tompo Jesosy dia tonga indrindra mba hamonjy ny mpanota, hoy i Moody namaly. Dia namaky lahatsoratra maromaro tao amin’ny Baiboly izy, ary anisan’izany ny Jaona 3:16 notanisaina etsy ambony. Nanapaka ny teniny ilay miaramila :
— Ao anaty Baiboly ve izany ?
— Eny, ara-bakiteny mihitsy !
— Avereno vakina amiko hoe, azafady.
Dia namerina namaky i Moody. Nihetsika toy ny hipetraka ilay miaramila ary nilaza hoe :
— Tsara izany. Mba avereno vakina amiko indray mandeha hoe ireo andinin-tSoratra Masina ireo.
Dia namerina namaky i Moody, ary nanohy hatramin’ny faran’ny toko. Tony sy namiratra ny endrik’ilay miaramila ; niteny moramora izy hoe :
— „Mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. Izay ihany no tena ilaiko.
Nanova ny fotoana farany nahavelomany io fampanantenan’ny Tompo vao henony io, satria nitokisany, ka lasa tam-piadanana nankany amin’ny Tompo ho any am-paradisa izy, ora vitsivitsy taorianan’izany.