Asabotsy 18 Septambra 2021

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary ; tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. Lioka 5:31, 32

 

Eo ho eo ihany daholo hoe ?

André Comte-Sponville dia filôzôfa nitolona ho an’ny tsy finoana an’Andriamanitra. Iray amin’ny antony nambarany dia ny hoe eo ho eo ihany daholo, hono, ny olombelona. Hoy izy : „Arakaraka ny ahafantarako ny olona no tsy ahafahako mino an’Andriamanitra… Tsy heveriko mihitsy hoe Andriamanitra dia namorona zavaboary tsy tsara tsy ratsy toy ny olona… Lehibe loatra atỳ anatintsika ny fankahalana, herisetra, fahambanian-tsaina, ka amiko, tsy hisy mihitsy teolojia afaka hanazava izany.”

Io mpanoratra io, raha ny marina, dia mamerina milaza izay efa ambaran’ny Baiboly mafy dia mafy. Ny fitotonganan’ny olombelona mantsy dia fampianarana fototra iray, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy nankatò ny Mpahary azy ilay olona noarìna araka ny endrik’Andriamanitra ka lavorary tany am-piandohana. Koa nanjary tompon’andraikitra izy, noho ny fahalalany ny tsara sy ny ratsy, nefa tsy mahay manao ny tsara. Ambaran’ny Baiboly fa „tsy misy marina, na dia iray akory aza ; … tsy misy izay mitady an’Andriamanitra… ; tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Romana 3:10-12). Nanjary tsy tsara tsy ratsy ny olona, ary mpanota sy meloka eo anatrehan’Andriamanitra. Na izany aza anefa, dia tian’Andriamanitra ny voariny, ka nirahiny ny Zanany mba hamonjy ireo rehetra miaiky ho mpanota sy meloka ! Jesosy, Ilay hany lavorary, no nomelohina nisolo antsika. Nefainy teo amin’ny hazofijaliana ny sandan’ny fahotantsika, ka na iza na iza mibebaka sy mino an’i Jesosy, dia mandray ny famelan-keloka maimaimpoana avy amin’Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay. Araka izany ny fahasoavan’Andriamanitra dia mamafa ho mandrakizay ilay antsoin’ny tsy mino an’Andriamanitra hoe toetra eo ho eo ihany.