Alahady 19 Septambra 2021

Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe : Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy. 2 Korintiana 4:6

 

Ny voninahitr’Andriamanitra

Lazaina filôzôfa iray ankehitriny fa ny finoana kristiana amin’izao fotoana izao, hono, dia manao an’Andriamanitra ho „namana fanao ialahy”. Andriamanitra anefa miteny amintsika hoe : „Indrisy, lotoina ny anarako ! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa” (Isaia 48:11). Indray andro any dia hotakin’Andriamanitra ny anomezana voninahitra Azy, ary hasehony ho hitan’izao tontolo rehetra izao izany voninahiny izany. Koa „ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah, toy ny fanaron’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina” (Habakoka 2:14).

Andriamanitra dia nampahafantatra ny voninahiny tamin’ny alalan’ny voary, fa indrindra tao amin’i Jesosy Kristy Zanany, Ilay „famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra” (Hebreo 1:3). Tonga tetỳ an-tany Jesosy mba hampahafantatra an’Andriamanitra, Izay fitiavana sy fahazavana. Nefa natao tsinontsinona sy nailika Izy, ary nony farany ireo tompon’andraikitra tamin’izany fotoana izany, na ara-pivavahana na ara-pôlitika, dia nanombo teo amin’ny hazofijaliana „ny Tompon’ny voninahitra” (1 Korintiana 2:8). Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia nitondra tao amin’ny tenany ny fahamelohantsika, ary nizaka ny famaizana izany. Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ny maty, ary nampipetraka Azy teo ankavanany. „Rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe, any amin’ny avo” (Hebreo 1:3). Ny hazofijaliana dia mampiseho ny voninahitr’Andriamanitra ; maneho ny fahamasinany tanteraka, tsy mandefitra amin’ny ratsy ; ny fahamarinany tsy milefitra, manameloka ny ota ; nefa koa ny fitiavany tsy hita lany, mamonjy ny mpanota mibebaka sy mino. Rehefa misaina izay tsy maintsy nataon’Andriamanitra isika, mba hamonjeny ny olona, dia mahatakatra kely ny voninahiny, ary maniry bebe kokoa hatrany hanome ho an’Andriamanitra ny haja mendrika Azy.