Alatsinainy 20 Septambra 2021

Tao ny tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra, tonga amin’izao tontolo izao. Jaona 1:9

(Hoy Jesosy :) Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy. Jaona 12:46

 

Fanazavana inona ?

Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 dia notaritina tany amina toerana mitoka-monina maro tany Frantsa ny herinaratra, ka nitondra zava-tsara mampiadana tsy azo lavina. Voaova ny takariva-na mponina maro nampiasa jiro solitany hatrizay. Iza no tsy te hanana izany hazavana izany ?

Firifiry moa ny olona manana ny Baiboly, nefa tsy mahafantatra akory ny hazavana entiny ! Io fanilon’ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika io (Salamo 119:105) dia manazava amintsika ny momba ny toetrantsika, ary koa momba an’Andriamanitra sy ireo fiheviny, ho fanasoavany antsika. Aleon’ny olona sasany miaina amin’ny fanazavan’ireo heviny, ny fivavahany, ny fitsipi-piainany na ny fomban-drazany. Manamafy izy ireo fa tsy mila ny Baiboly, satria ampy azy ireo ny jiro mitsilopilopin’ny fisainany sy ny fahalalany amin’ny maha olona azy ireo.

Nefa ilaintsika eo amin’ny fiainantsika ny fanazavan’ny Tenin’Andriamanitra, na dia tsy tsapantsika aza izany. Anisan’ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra antsika fa tonga tetỳ an-tany Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, roa arivo taona lasa izay, mba hampahafantatra antsika ny fitiavan’Andriamanitra, sady hampiharihary ny ota avy ao amin’ny fon’ny olombelona, fo ratsy (Jeremia 17:9).

Nitondra fampianarana mahatalanjona Jesosy. Nanasitrana marary Izy, nanafaka olona nandevozin’i Satana, nanova lehilahy sy vehivavy ho olom-baovao, sambatra sy afaka. Izy no fahazavan’izao tontolo izao, ary niteny hoe : „Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12). Mba hamenoany antsika araka izany rehetra izany, dia tsy maintsy nanolotra ny ainy Jesosy.