Talata 21 Septambra 2021
Mamelombelona ny fanahiko Izy ; mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy. Salamo 23:3
Rehefa hitany iny (hitan’ny mpiandry ondry ilay ondry very), dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy. Lioka 15:5
Mahafinaritra aoka izany ny sary-na mpiandry ondry mitondra ondry eny an-tsorony ! Tian’ny ankizy madinika erỳ ny mijery boky misy sary miresaka ny Tompo Jesosy ho Ilay Mpiandry tsara.
Tsy vitan’ny hoe mamahana ny andian’ondriny fotsiny ny mpiandry azy, fa mitsabo koa izay ondry marary na maratra. Avy eo izy dia mitondra ny andian’ondriny eny amina lalana tsara.
„Mamelombelona ny fanahiko Izy.” Afaka miteny koa isika hoe : „Izy no miahy” antsika (1 Petera 5:7). Toy ny itondran’ny mpiandry ny ondriny, no itondran’ny Tompo Jesosy antsika eo an-tsorony sy ao am-pony. Tia antsika amin’izao toetrantsika izao ny Tompo, nefa te hampandroso antsika eo amin’ny fiainantsika ara-panahy. Ary hataony hatramin’ny farany izany, mandra-pahatonga ny fotoana hiarahantsika aminy any an-danitra. „Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany, mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy” (Filipiana 1:6).
„Mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana… Izy”. Ny Tompo dia mitarika antsika ho amin’ny lalan’ny sitrapony, lavitry ny ratsy, ho amin’ny „làlam-piadanana” (Lioka 1:79). Izy mihitsy no manoritra io lalana io, tsy hoe lalana malalaka hampahazo aina ny fontsika voajanahary, fa lalan-kely, lalana èty, mety ho sarotra… (Matio 7:13, 14) Tsy mampaninona anefa izany, rehefa Izy Mpiandry no mitarika. Tarihin’ny Tompo isika hanao izay marina eo anatrehan’Andriamanitra, hanao izay azony ankasitrahina. Ataony izany mba hananantsika fitondrantena tsy mandà ny anaran’i Kristy entintsika, fa mifanohitra amin’izany, fitondrantena manaja ny anarany.