Alarobia 22 Septambra 2021
Raha hitanao mania ny omby na ondrin’ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin’ny rahalahinao mihitsy izany. Deoteronomia 22:1
Ny andinin-tSoratra Masina omena antsika androany dia ekena fa tsy mifandray firy amin’ny fiainantsika amin’izao taonjato faha-21 izao ! Nefa ny teny rehetra ao amin’ny Baiboly dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ary ho fitaizana antsika, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly (2 Timoty 3:16). Raha misy Israelita mahita biby very any an-tsaha, biby ana mpiara-monina aminy, dia azony odian-tsy hita izany, ary afaka mody any an-tranony izy, manao anakampo hoe : raharahany izany, fa tsy raharahako. Andriamanitra anefa dia mandidy ny olony mba tsy hanao toy izany, fa mba hihevitra izay haha metimety ny namany.
Nitsangantsangana tany an-tendrombohitra izahay indray andro, tany amina firenen-kafa, ka raha vao diso lalana, dia natoron’ny tompon-tany anay, tamina fihetsika mazava be, ny lalana tokony hizoranay. Nanohina anay izany fitsinjovana sy fiahiana izany. Tsy mahay ny fiteninay ireo tantsaha ireo, ary tsy nisy na inona na inona nanery azy ireo hanoro anay ny lalana tsara. Nefa dia nanampy anay izy ireo, tsy nitady valiny na inona na inona akory.
Isika ihany koa, eo amin’ny fiainantsika, dia mifanehatra amina toejavatra mampalahelo, olona mahantra, na mpino toa manalavitra ny lalan’ny finoana. Dia odiantsika tsy hita ve ireny ? Mandalo fotsiny ve isika, manao anakampo hoe mbola hisy olona hafa ihany hijery an’ireny ?
Ndao hotsarovana ny ohatra omen’i Jesosy ao amin’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy (Lioka 10:30-37). Ndao mba hihevitra ireo manodidina antsika, hivavaka ho azy ireo, ary hifampikarakara am-pitiavana.