Alakamisy 23 Septambra 2021
Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika. Matio 7:26
Ao amin’io fanoharana io dia misy trano tsy nirodana noho ny tafiodrivotra, satria niorina teo ambony vatolampy. Ambaran’i Jesosy fa manorina trano eo ambony fasika ny mametraka ny fanantenany na mitady fiarovana amina zavatra mandalo ihany sy mangozohozo, ka tsy mahatohitra ny fisedran’ny fotoana, toy ny vola, fahombiazana, laza, fitomboam-pananana. Fa ny hoe manorina trano eo ambony vatolampy kosa, dia ny mametraka ny fiainany sy ny fanantenany amin’Andriamanitra, saingy tsy Andriamanitra noforonin’ny saintsika anefa, fa Ilay naneho ny tenany ao amin’ny Baiboly.
Mitovy endrika ireo trano roa ireo etỳ ivelany, satria tsy hita maso ny fototra. Ny fotoana sy ny toetrandro ratsy no hampiharihary ny hamafiny… na ny harefony !
Io kisarisary io dia mihatra tsara amin’ny ankizy nobeazina tao anaty fianakaviana kristiana, samy nandray fampianarana ara-Baiboly iray ihany. Ny fanontaniana lehibe, ary iankinan’aina mihitsy aza, dia hoe inona no hanaovan’ny tsirairay ilay fampianarana. Tsy ny hitovy amina kristiana tsy akory no tadiavina, fa ny ho tena kristiana am-po. Tsy ny handray anjara amina famakiana ny Baiboly isam-potoana, fa ny hino ny Tenin’Andriamanitra sy hampihatra izany.
Ry tanora, eo ambony fasika ve no anorenanao ny fiainanao, sa eo ambony vatolampy ? Hainao tsianjery angamba ilay andinin-tSoratra Masina tononina matetika, ao amin’ny Jaona 3:16, nefa ve ianao resy lahatra ka afaka miteny hoe : „Notiavin’Andriamanitra fatratra aho, ka nomeny ahy ny Zanany Lahitokana ; mino Azy aho, ka tsy ho very mandrakizay, ary manana ny fiainana mandrakizay” ?